Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
AMBALAVELONA HAFAHAFA : Zazavavy maromaro mihoraka sy miteny ratsy ao am-piangonana
Nitrangana fisehoan-javatra hafahafa mitovy amin’ny ambalavelona tao amin’ny fiangonana katôlika Ambatomavo/Ambalanitana, afakomaly, nandritra ny fotoam-pivavahana. Ao anatin’ny fanatanterahana ny fotoam-pivavahana mihitsy no mitranga io toe-javatra io. Zazavavy iray no mitsangana tampoka ka nihazakazaka hivoaka ny fiangonana. Vantany vao arahin’ny fianakaviany izy dia misy zazavavy maromaro hafa koa miara-mihetsika ao am-piangonana. Matanjaka sy maherivaika ireo zazavavy iharan’ity tranga ity ka tsy maintsy tazomina ary miteny ratsy variraraka. Zazavavy manododina ny 12 taona hatramin’ny 16 taona no tena lasibatra. Intelo alahady amin’izao, dia ny faha 17 – 24 novambra 2024 ary ny 01 desambra 2024 no nisian’io toe-javatra io tao amin’io fiangonana katolika io ka nahatonga ny lehiben’ny Zana-tobim-paritra nidina ifotony niaraka amin’ny zandary hijery marina ny zava-misy.
Nanonona anaran’olona atao hoe « Delisy » ny iray tamin’ireo zazavavy lasibatra. Isaky ny mivavaka ao am-piangonana ihany no isehoan’ny tranga. Novoriana ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny fiangonana katolika sy ireo Ray aman-dReny ao an-toerana ary ny sefom-pokontany hahafantarana ny antony mahatonga izao tranga izao. Hosamborina ilay olona voatonona anarana hahafaha-mikaroka ny anton’ny tranga. Anaovana famotorana koa ny tontolo manodidina ireo tovovavy ireo manomboka hatrany an-tokatranon’izy ireo. Heverina, fa raha mitohy ny fanadihadiana lalina, azo antoka fa tsy maintsy ho tratra ny tompon’antoka amin’izao raharaha izao.
Pierre M.




