Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

AMBANIALA ITAOSY: Tovolahy 22 taona hita faty tao an-tranony, nihantona tamin’ny tady

Hatairana ny an’ny manodidina raha nahita sy nahare tovolahy iray nihantona tamin’ny tady tao an-tranony, efa tsy nisy aina intsony, omaly maraina, teny Ambaniala Itaosy. Mipetra-drery izy io raha ny filazan’ny manodidina, saingy ireo Ray aman-dreniny any amin’ny faritra kosa, dia mifampiantso aminy matetika. Voalazan’ny mpifanolobodirindrina taminy, fa niantso azy ny reniny ny andron’ny alahady lasa teo, saingy tsy nandray finday izy ka nampanahy ireo nahitany masoandro. Ireo mpiara-monina akaiky azy kosa, no nantsoin’iretsy farany, mba hijery sy hanafatra azy tamin’izany. Rehefa nijery azy tao an-tranony ny olona iray teo amin’ny manodidina io, omaly maraina io, dia niantso “haody”, saingy tsy nisy namaly. Niezaka niakatra kokoa izy mba hanakaiky ny varavarana miditra ao aminy, ary iny saika handondona iny indray no nahita fa efa nisokatra ny varavarana. Tamin’izany no nahitany azy nihantona tamin’ny tadin-damba. Taitra, noho izany ity farany, no niantso haingana ny fokonolona manodidina mba hijery ny zava-misy. Ireo avy eo no niantso ny manam-pahefana, nahitana Mpitsabo sy Mpitandro filaminana. Raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo tamin’izany, dia ny alahady manodidina ny tamin’ny 03 ora tolakandro no maty ity tovolahy ity. Tsy nahitana mangana na ratra tamin’ny vatany, ary avy amin’izany no nampametraka ahiahy ny rehetra ny amin’ny hoe “mety ho famonoan-tena” no nahazo ity tovolahy vao erotrerony ity. Mbola mpitovo ity farany, ary efa miasa. Ny dadatoany tonga omaly maraina tao an-toerana ihany koa no nilaza, fa “ianjadian’ny olana saro-bahana maro ity tovolahy ity. Izy no manampy ny Ray aman-dreniny sy ny zandriny, izay samy any Ambositra, ary ao anaty tsy fahasalamana indrindra ny reny niteraka azy amin’izao fotoana”. Tsy fantatra mazava hatreto, ny tena zava-misy marina ao ambadik’ity fahafatesana tovolahy teny Ambaniala Itaosy ity, saingy efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana ny raharaha, hamantarana ny tena zava-nisy marina. Misokatra ny fanadihadiana.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer