PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
AMBANIZANA MAROANTSETRA : Ben’ny tanàna teo aloha nidoboka am-ponja niteraka rotaka
Saika zava-doza ny zava-nitranga ! Raikitra ny rotaka tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra, kaominina Ambanizana afakomaly, 3 jona lasa teo. Araka ny angom-baovao, resaka fanagadrana ben’ny tanàna teo aloha no fototry ny olana. Nogadraina am-ponja vonjimaika io ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Ambanizana, distrikan’i Maroantsetra, antsoina hoe Andriamahefa Aurice, rehefa nandalo Fampanoavana. Resaka fikasihan-tanana no nitorian’olona azy, ka io niafara tamin’ny fanagadrana an’ity ben’ny tanàna teo aloha ity. Marihina fa efa nandefasana taratasy fiantsoana izy, ho any amin’ny biraon’ny zandary, saingy izy indray no nanao vavabe fa hanakorontana, raha sendra misy fisamborana azy.
Vao mainka, tsy nanaiky lembenana ny mpitandro filaminana, ka nanao ny fomba rehetra nisamborana azy ka izao nitarika korontana tokoa izao. Tsy nanaiky ny fanagadrana ny vahoaka mpomban’ity Ben’ny tanàna teo aloha ity, ka nitarika gidragidra sy korontana tao an-tanàna. Araka ny fampitam-baovao, tonga marobe tany amin’ny tranon’ilay mpitory izy ireo, ka nanimba ny trano sy ny fananan’ireo olona nitory. Niantso ny mpomba azy koa, araka izany, ilay olona nitory ka teo no raikitra ny gidragidra teo amin’ny roa tonta. Soa fa tsy tonga tany amin’ny fandrobana na zavatra hafa, satria nalaky tonga ny Mpitandro filaminana, raha tsy izany faty olona nikararana teo amin’ny fifandonan’ny roa tonta. Voatery nivory maika mihitsy ny teo anivon’ny OMC tany an-toerana ary niezaka nandamina avy eo. Nisy ny fanapahan-kevitra ka fepetra vonjimaika noraisina, ny fandefasana Zandary sy Polisy ampolony anampy isa ny mpitandro filaminana any an-toerana, izay tena vitsy an’isa. Nanentana ny olona ho tony koa ny Sefo distrika sy ny tomponandraiki-panjakana rehetra any an-toerana. Na izany aza, tsapa fa mora nalamina ny andaniny sy ny ankilany, na dia tena rotaka mihitsy ny zava-nitranga, ka efa niverina amin’ny laoniny ny filaminana any an-toerana.
Pierre M.




