Trangam-piaraha-monina

AMBANIZANA MAROANTSETRA Milamina ny tanàna, 06 tamin’ireo olom-bitsy nitarika korontana voasambotra

Rariny ny fampidirana am-ponja vonjimaika ny Ben’ny tanàna teo aloha tao Ambanizana Maroantsetra, raha ny fanazavana nentin’ny Lehiben’ny Distrikan’i Maroantsetra. Efa tsy laitran’ny balan’ny fananarana ary tsy ho voafolaka intsony amina fanamparam-pahefana nataony hatramin’izay. Enina tamin’ireo andian’olom-bitsy azo isaina amin’ny rantsan-tanana nijoro hiaro ity fahavalom-piarahamonina ity koa no efa voasambotra…

Ambanizana Maroantsetra

Nitondra fanazavana sy nanamafy ny zava-misy mikasika ny fanakorontanana miendrika fitsaram-bahoaka nataon’ireo olom-bitsy akaiky ny Ben’ny tanàna teo aloha, Andriamahefa Aurice, tao amin’ny Fokontany Ambanizana Maroantsetra, ny alin’ny 03 hifoha 04 Jona 2025 ny Lehiben’ny Distrikan’i Maroantsetra, Rabefenara Louis Velombita. Nohamafisiny, fa ny fitoriana napetraky ny Sefo Fokontany Ambanizana, izay niharan’ny fikasihan-tanan’io Ben’ny tanàna teo aloha io no nitarika izao fampidirana am-ponja vonjimaika azy izao, ankoatra ireo raharaha hafa mbola maha voasaringotra azy tany aloha. Natolotra ny Fampanoavana ary izao nidoboka am-ponja vonjimaika izao ity farany. Fanakorontanana miendrika fitsaram-bahoaka tamin’ny alalan’ny fanimbana sy fandoroana fananana vokatry ny tsy fahafaliana tamin’io fampidirana am-ponja io no nataon’ireo andian’olom-bitsy tamin’ny tranon’ny Sefo Fokontany ao an-toerana, miampy fandrahonana ho faty tompon’andraikitry ny tanàna vitsivitsy, nanamarika ny Lehiben’ny Distrika. Amin’izao fotoana dia efa milamina tanteraka ny ao amin’ny Fokontany ity, ary mitohy ny fiainana andavanandron’ny mponina. Nomarihan’ity tompon’andraikitra anefa, fa tsy ny distrikan’i Maroantsetra iray manontolo no nikorontana vokatr’io savorovoro tao amina Fokontany iray io, izay andisoany ny vaovao naelin’ny haino vaky jery sasany teto an-dRenivohitra. Rehefa nandray andraikitra ny avy amin’ny “Organe Mixte de Conception” (OMC) tao an-toerana dia nilamina avy hatrany ny tanàna. Olona 04 isan’ireo olom-bitsy 07 nitarika olona 28 hanao fitsaram-bahoaka no voasambotra voalohany, ary izao nitohy tamin’ny fahazoana 02 hafa izao, raha mbola misy karohina.

Ny Lehiben’ny Distrikan’i Maroantsetra nitondra fanazavana

Tsy laitran’ny balan’ny fananarana…

Ity Ben’ny tanàna teo aloha ity, izay marihina tsy lany tamin’ny fifidianana farany teo intsony. “Tsy laitran’ny balan’ny fananarana”, hoy ny Lehiben’ny Distrika nanamarika, eny fa na teo aza ny fananarana maro nataony azy, sy ny fampifanatrehana nampihavanana azy sy ny olona nanan-draharaha taminy, fa tsy nahoany. Voalaza fa malaza mahery setra ity Ben’ny tanànan’Ambanizana teo aloha ity, ary tamin’ny fotoam-pitondrany tanàna aza, dia maro ireo fanararaotam-pahefana nataony ka nitorian’olona azy, saingy very an-javony hatrany izany. Anisany fandikan-dalàna voalaza efa nataony, izay mbola raharaha miandry azy ankehitriny, ohatra, ny famporisihana olona hiditra anaty atiala arovana tamin’izany, fikasihan-tanana sy fanalam-baraka imason’olona nataony tamina mpampianatra iray tao Rantabe Ambanizana, fanimbana voly varin’olona ny taona 2024, fibodoana tanin’olona, sns. “Feno ny kapoaka” araka ny fomba fiteny, ary izao nanaovana velam-pandrika nisamborana azy izao, noho ny tsy fihetezany hanatona mora ny mpitandro filaminana niantso azy, taorian’io fikasihan-tanana Sefo Fokontany io. Nanamafy hiara-hiasa amin’ny Mpitandro filaminana hisorohana izao tranga fanakorontanana izao ny vahoakan’Ambanizana. Ity kaominina ity, izay 30 km atsinanan’i Maroantsetra, lalana andehanana lakana ao Andranoasina. Izy no kaominina mifanakaiky amin’ny valan-javaboaharin’Imasoala.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer