Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

AMBOARA VOHIPOSA : Notapahina ny lohan’ilay zazavavy nalaina an-keriny

Zazavavikely iray no very tsy hita ny 8 marsa andron’ny vehivavy lasa teo. Ny afakomaly lasa teo, nahavoaray antso avy amin’ny Zana-tobim-paritra Vohiposa ny Borigadin’i Camp Robin, fa misy lohan’olona hita ao amin’ny toerana atao hoe Amboara, fokontany Vohiposa, kaominina ao ihany. Avy hatrany dia nidina teny ifotony ny chef CSBII, ary ny  zandary avy ao Camp/Robin sy Vohiposa, notarihin’ ny Lefitry ny Komandin’ny Vondron-tobim-paritra sy ny  Komandin’ny Tobim-paritra  nanao ny fitsirihana ifotony niaraka tamin’ny fokonolona. Teo no nahafantarana fa lohan’ilay zazavavy very ny 08 marsa lasa teo io hita io. Tonga teo koa ny havany nanamarina izany, ary voaporofo fa ilay zazavavikely tsy hita tokoa ilay loha tapaka hita. Hatreto, mbola tsy fantatra ny olona nahavanon-doza. Mitohy  ny famotorana sy fikarohana  amin’ny fomba rehetra, mba hahitana ireo olon-dratsy, miainga avy amin’ny valin’ny fanadihadiana atao,   izay efa ananana porofo eo  am-pelatanana. Heverina, araka izany, fa tsy ho afa-maina ny olon-dratsy nanatanteraka ity vono olona tamin’ny fomba habibiana nanjo ity zazavakely notapahin-doha ity.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer