Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

AMBODINISOTRY SY 67HA: Mpanendaka roa lahy tratra ambodiomby

Roa lahy indray no azo sambo-belona tamina asa ratsy fanendahana sy sinto-mahery eto an-dRenivohitra, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny iray voalohany, teny Ambodinisotry no voasambotra, ny alahady 04 Mey, tokony ho tamin’ny 08 ora latsaka fahefany, teny akaikin’ny Bazar-Ma, noho ny resaka finday. Naharay fitarainana ny Polisy ka nahazoana nisambotra ity farany. Tamin’ny fanadihadiana natao azy, dia fantatra fa efa nampitaraina mponina maro eny amin’ny manodidina an’Ambodinisotry io olon-dratsy io, amin’ity resaka sinto-mahery ity. Ny faharoa, dia tratra ambodiomby teo am-panendahana, teny 67Ha. Ity farany, izay noraisim-potsiny teo am-panatanterahana ny asa ratsiny, rehefa nanendaka finday ana tovovavy iray tetsy amin’ny toby fiantsonan’ny fiara mpitatitra olona teo amin’ny Paositra, ny sabotsy 03 Mey teo, tamin’ny mitatao vovonana. Noho ireo fitarainana voarain’ny Polisim-pirenena dia nisy ny paikady napetraka, ka ankoatr’ireo Polisy efa miasa eny an-dalambe, dia misy ihany koa ireo manao fanamiana sivily mijery ifotony sy mandray andraikitra avy hatrany raha sendra tranga. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia nanatanteraka ny asa ratsiny toy ny mahazatra io lehilahy io, no gaga fa teo noho eo ihany dia ny Polisin’ny UIR sy ireo avy amin’ny CSP4 Isotry, no nanoloana azy rehefa izy avy nisitona findain’olona sendra nandalo iny. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny Kaomisaria ny tenany nanaovana fanadihadiana. Efa tafaverina amin’ny tompony ny finday nangalariny. Mitohy hatrany ny ady amin’ny asan-jiolahy sy ny famerenana hatrany ny fandriam-pahalemana eny ifotony.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer