Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
AMBOHIDAHY ANKADINDRAMAMY: Razana efa simba hita teny ambony honahonan-tsikafona
Olona iray tsy nisy nahafantarana azy intsony no hita faty natsingevan'ny rano teny ambony tsikafona, omaly maraina, tao Ambohidahy Ankadindramamy. Mandeha ny fanadihadiana hamantarana ny marina rehetra momba ity olona hita faty ity...
Hatairana ny an’ny mponina eny Ambohidahy Ankadindramamy, omaly vao maraina, raha nahita fatin’olona iray teny ambony tsikafona. Alika nitangorona no nanaitra ny ankizy teny amin’ny manodidina, raha ny fampitam-baovao azo. Ireto farany indray no nampilaza tamin’ny mpiompy kisoa teo akaiky, sao fatina kisoan’izy ireo. Io mpiompy kisoa io anefa, nilaza fa tsy miompy kisoa intsony izy ireo. Lasa araka izany, ny eritreritry ny manodidina, ary rehefa nojerena dia hita fa fatin’olona io hita io, nohon’ny fahitana tombokavatsa tamin’ny tanany. Nitangorona ny fokonolona niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny Fokontany tao an-toerana, ary hita tao anatin’izany koa ny Mpitandro filaminana. Fantatra tao anatin’izany, fa efa simba ny razana, ary raha ny tombana dia tsy vao afak’omaly no nahafaty ity olona ity, fa efa talohan’izay. Tsy misy namantarana azy intsony koa, na lahy na vavy, na koa taratasy teny aminy. Ny tompon’andraikitry ny Fokontany izay nilaza, fa tsy mbola nisy fitarainana azon’izy ireo mikasika fahaverezana na tsy fahitana olona tao amin’ny fokontany iadidiany, hatreto. Ny mponina teny amin’ny manodidina ihany koa, izay nilaza, fa tsy mbola nahare fofona maimbo raha tsy vao io omaly maraina io. Samy nilaza ihany koa ireto farany fa tsy nisy very havana na fianakaviana. Niantso ny teo anivon’ny Birao Monisipaly momba ny Fahasalamana (BMH) ny fokontany mba haka ny razana.
Nangonin’i S.R




