
Songadim-baovao
Ambohimanga Rova : Ankizy anjatony nozarain’ny TAK kilalao sy fanomezana
Mitohy hatrany ny fizarana fanomezana tontosain’ny Tetikasa Ankizy Krismasy (TAK) ho an’ireo ankizy. Ankizy anjatony teo anivon’ny Kaominina Ambohimanga Rova no nisitraka izany, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Fiangonana FJKM Imerintsiafindra Filadelfia, Ambohimanga Rova…

Notontosaina ny sabotsy teo, tao amin’ny fiangonana FJKM Imerintsiafindra Filadelfia Ambohimanga Rova, ny fizarana fanomezana avy amin’ny Tetikasa Ankizy Krismasy na (TAK). Ankizy anjatony avy amin’ny fokontany 22 ao anatin’ny Kaominina Ambohimanga Rova no nisitraka izany fanomezana, izay nahitana kilalao, boky sy ny maro hafa. Nambaran’ny Seg, ny Jly Ravalomanana Richard tamin’ireo ankizy marobe, teo anivon’ny Fiangonana « fa tsy tokony ho tia tena, fa mila mizara maimaimpoana. Ireo ankizy tena sahirana no mahazo ireo kilalao sy fanomezana marobe ireo. Ireo ankizy izay nahazo dia tsy mahazo amin’ny manaraka fa an’ny hafa indray ». Isan’ireo angady nanana sy vy nahitana nanampy tamin’ny fampidirana teto Madagasikara ny entana hozaraina ny Seg, Jly Ravalomanana Richard.
Tiana ny manamarika fa ny Tetikasa Ankizy krismasy na TAK, dia niforona tany Caroline Avaratra any Etazonia, ny taona 2003. Tonga teto Madagasikara kosa, avy amin’ny fahitany ny ankizy avy amin’ny Fianakaviana kristianina, ny fahorian’ny ankizy any amin’ny tany andalam-pandrosoana. Koa nanapa-kevitra izy ireo ny hitahiry amin’ny « goûter »-ny ka rehefa tonga ny fety « Thanksgiving », izay ankalazaina any Etazonia ny alakamisy fahefatra, amin’ny volana novambra, dia mividy zavatra vaovao, ho an’ny ankizy any amin’ny tany andalam-pandrosoana ireo ankizy sy ny ray aman-dreniny kristianina. Misy amin’ izany kilalao, akanjo, fitaovam-pianarana, kojakoja mety ilain’ny ankizy… Fonosiny tsara ny entana novidiany, ka indraindray asiany hafatra ho an’ireo ankizy omena izany, izay tsy fantany akory. Ny Foiben’ny Fikambanana no manamarina sy mikarakara ny entana halefa. Nisy Fikambanana koa niforona any Eoropa ka nanome an-tanana koa.


