Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

AMBOHIPO: Roa lahy nanao sinto-mahery saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Roa lahy indray no voasambotry ny Polisim-pirenena, ny alahady lasa teo, teny Ambohipo, noho ny resaka sinto-mahery. Mitohy ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana tanterahin’ny Polisim-pirenena eto an-dRenivohitra, ka lehilahy miisa roa indray no sarona teny Ambohipo, nifanenjehan’ny fokonolona, ny marain’io andro voalaza io. Ny lasibatra no niantso vonjy tamin’izany, raha teo am-panaovana ny asa ratsiny izy roa lahy ireto. Nandritra ny fifanjevoana, dia nisy tamin’ireo fokonolona no niantso Polisy avy hatrany, ka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana tao anatin’izany avy amin’ny Kaomisarian’ny Boriborintany faharoa, etsy Ambohijatovo ambony. Ireto olon-dratsy, izay saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga ara-potoana ny Polisy niditra an-tsehatra nisambotra azy ireo, sy nitondra azy nanatona birao mba hanaovana andrimaso sy fanadihadiana kosa. Masiaka amin’ny fanaovan-dratsy ny eny amin’ny tanànan’Ambohipo sy ny trano fonenan’ny mpianatra eny Ankatso iny hatramin’izay, ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka hatrany izay mpangalatra tratra teny an-toerana, ka nampitandreman’ireo mponina ireo mbola minia maniry hanao asa ratsy eny an-toerana. Na izany aza, tsy eken’ny lalàna eto amintsika ny fitsaram-bahoaka, fa manana adidy ny mpiara-monina hampandre haingana ny mpitandro filaminana raha vantany vao mitady hitranga izay fomba izay. Ny mpanao fandikan-dalàna tratra rahateo tsy maintsy hatolotra ny manam-pahefana eo an-toerana.

S.R

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer