Songadim-baovaoSosialy
AMBOHITANTELY ANKAZOBE: Tsara sitrapo 600 hanao Tagnamaro famonoana afo
Marobe ireo olona nanolo-tena sy naniry ny hanome tanana amin’ny famonoana afo any Ambohitantely Ankazobe.Nisy ny fandaminana nataon’ny Minisitera misahana ny Tontolo iainana, ka noferana ho enin-jato ihany ireo tsara sitrapo hihazo any an-toerana anio, izay eo ambany fiantohan’ny Minisitera ny fitaterana mandroso sy miverina, ary ny sakafo .
Feno 600 ireo mahery fo hiady amin’ny afo any Ambohitantely Ankazobe. Raha ny fampitam-baovao, miato hatreo ny lisitra, mba hahafahana manao ny fandaminana any an-toerana. Ankoatra ireo efa niantso, mbola maro ny asa ho an’ny tontolo iainana mila ny fanomezan-tanana. Ho an’ireo efa nisoratra anarana amin’ny famonoana ny afo, dia miainga amin’ny 7 ora sy sasany maraina, ny fiara manoloana ny Tranombokim-pirenena, Anosy. Nentanina kosa, izay manana aretina mitaiza na manana aretina fahasemporana haka fepetra hijanona any an-trano. Nentanina koa tsy hitondra Zaza na ankizy ho fitsimbinana azy ireny. Izay rehetra manana fitaovana azo iadiana amin’ny afo, dia nentanina hitondra avokoa.
Ankoatra izay, nitrangana doro tanety koa afakomaly tamin’ny 11 ora antoandro, tao Lalatsara, fokontany Ampanidinana, Kaominina sy Distrikan’ Ambohimahasoa. Raha vao naheno izany ny zandary eto Ambohimahasoa, nidina teny an-toerana nanampy ireo vahoaka, tamin’ny famonoana ny afo. Noho ny fiaraha-mientana teo amin’ny fokonolona sy ny Zandary, dia nalaky maty ny afo. Tsy nisy fananan’olona simba na aina nafoy na naratra. Taorian’ny famonoana ny afo, nisy ny fametrahana aro afo, mba hialana amin’ny tampoka sy ny firongatry ny doro tanety amin’izao fotoana izao. Nentanina koa ny mponina tsy handoro tanety satria izay mandoro tanety, mandoro tanindrazana.
Faritra Arovana
Tsara ho fantatra fa manana faritra arovana miisa 129 i Madagasikara izay mivelatra amin’ny velarantany mirefy 7 099 000 Hektara, araka ny tatitry ny Minisiteran’ ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy. Tsapa tato ho ato fa nanao sesilany ny doro tanety sy ny doro ala, ka voakasika indrindra amin’izany ireo faritra arovana sy ireo valanjavaboary manerana ny Nosy. Isan’izany ny Faritra arovana « baie de Baly », Zombitse-Vohibasia, Faritra Arovana COFAM na Corridor Fandriana-Marolambo sy ny sisa maro hafa ary velarantany maro no simba tamin’izany. Maro tamin’ireo doro ala nitranga no efa voafehy, ankehitriny, ary misy ireo mbola an-dalam-pamonoana. Isan’izany ny ao amin’ny faritra arovana Ambohitantely, Ankazobe, izay mbola ifandrimbonan’ireo tompon’andraikitra maro ny famonoana ny afo. Tsikaritry ny teknisianina eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy kosa, ny andron’ny 09 Oktobra lasa teo, fa tafiakatra hatramin’ny 1054 isa ny tebok’afo manerana ny Nosy. Nidina kosa izany ny 11 Oktobra lasa teo, izay miisa 900 mahery. Isan’ny fanarahamaso nataon’ireo tekinisiana izany mba hisorohana sy hiomanana amin’ireo fepetra tokony horaisina. Tsara ho fantatra fa tafiditra ao anatin’izany singa ahafahana maminavina ny taha ny mety hampisy ny afo na tsia ny hafanana, hamandoana, hain-tany, ny fitsoaky ny rivotra.
« Centre de Coordination et d’Opérationnalisation »
Manoloana izany dia nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny handraisana fepetra hiadiana amin’ity doro ala sy ny doro tanety eto Madagasikara ity. Araka ny toromarika maika nomen’ny Filohan’ny Repoblika dia natsangana ny Rafitra entina miady amin’ny doro tanety dia ny « Centre de Coordination et d’Opérationnalisation », ka ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Birao misahana ny Fitantanana ny Ambana sy ny Loza Voajanahary (BNGRC), ary avy amin’ny Tafika Malagasy no hitarika azy. Marihina fa nanomboka ny faran’ny herinandro dia nisy ny fivoriana maika izay notarihin’Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny governemanta ary nandraisanan’ireo Ministera isan-tsokajiny anjara amin’izany, ka izy ireo no handrafitra ny CCO. Hahetsika ny Komity GRC « Gestion des Risques et Catastrophes », izay efa misy any anivon’ireo Faritra, Distrika, Kaominina, ary Fokontany rehetra ka io Komity io no hifandray mivantana amin’ny CCO.
Fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny
Ankoatra izay, hatsangana koa ny rindrambaiko « Aroafo data » ahafahana manao ny angom-baovao mba hanarahana tsy tapaka amin’ny fotoana tsy tara, ny mety ho fisian’ny afo miforona. Tanjona amin’izany ny hanafainganana ny fandraisana an-tanana ka hanetsehana ny fitaovana ilaina amin’ny famonoana ny afo sy ireo Tompon’andraikitry ny ala sy ny Tontolo Iainana ifotony, ny mpitandro ny filaminana sy ny Fokonolona amin’ny fandrimbonana amin’ny famonoana ny afo. Hisy koa ny fametrahana faran’izay aingana ny laharana maitso hanangonana ny vaovao avy amin’ireo olom-pirenena mikasika ny ady amin’ny doro ala sy ny doro tanety. Ankilany, hisy ny fanetsehana ny angidim-by an’ny Tafika ary fividianana fitaovana famonoana afo avy any ivelany farany izay maika. Tsy maintsy ampiharina ny « tolérance 0 », tsy hisian’ny fandeferana na kely aza, ho an’ireo tratra mandoro tanety na ala, raha ny fanazavan’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina.
Pierre M. sy Johannah ( Mpianatra asa).




