Songadim-baovao

Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro : Vita ny tohodrano afa-manondraka 10.000 Ha, Mpamboly 6000 no hisitraka

Notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina omaly, ny tohodrano entina hanondrahana tanimbary any aminy 10000 ha, tao Sahabe, Kaominina Ambodirano, distrikan’Amparafaravola. Mpamboly maherin’ny 6000 no hisitraka izany. Fiaraha-miasa amin’ny governemanta japone no nahavitana izao fotodrafitrasa goavana izao…

Velirano fahasivy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fahavitana ny tohodrano toa izao.

Notokanan’ny Filohan’ny Repoblika,  Andry Rajoelina omaly,  ny tohodrano entina hanondrahana tanimbary any aminy 10000 ha, tao Sahabe, Kaominina Ambodirano, distrikan’Amparafaravola. Mpamboly maherin’ny 6000 no hisitraka izany. Fiaraha-miasa amin’ny governemanta japoney no  nahavitana izao fotodrafitrasa goavana izao. Ny Barazin’i Sahabe manana lakandrano mirefy 60 km ary lalantany 80 km, ity notokanana ity. « Tafiditra ao anatin’ny velirano fahasivy, momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo izao hetsika izao. Maro ny asa natao taty amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Isaorana ny Governemanta Japoney, izay manana ny teknolojia avo lenta nanamboatra an’ity barazy ity », hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Filoha no nambarany fa hanao « autoroute » mirefy  260 km i Madagasikara. Ho any Ejipta ny Minisitry ny Asa Vaventy hijery ny teknolojia avo lenta fanamboarana izany lalambe migodana izany. Ny Ejipisianina mantsy no nahazo ny tolo-bidy hanao izany lalana izany. Ny vaovao lehibe, handalo eto Ambatondrazaka izany « autoroute » izany vao ho tonga any Toamasina. « Mbola tsy nanao zavatra taty Alaotra aza i Andry Rajoelina dia efa nitia ahy ianareo, mainka fa nahavita zavatra tahaka izao isika. 50,19 % ny voka-pifidianana Filoham-pirenena noho fitiavanareo ahy. Raha  Ambatondrazaka no Madagasikara, dia lany anaty fihodinana voalohany aho », hoy izy. Velirano no nanaovana ny lalam-pirenena faha-44. Andry Rajoelina tsy mivadi-belirano. Mandeha ny fanaovana ny RN 44, ary misy ny ampahany efa vita, ao no mbola hamboarina. « Mbola ho avy ny andro hitokanana io RN 44 io. Izay minia mikipy amin’izay, dia ho jamba mandra-pahafatiny. Ny bainga voavadika no vavolombelon’ny asa », hoy hatrany ny Filoha.

Manodidina ny 110 miliara Ar ny tentim-bidin’ny fotodrafitrasa

Manga ny lanitra eo amin’ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Japoney.

Nanomboka tamin’ny 2010 no tsy afaka namboly vary intsony, ny fianakaviana manodidina 6000 mamboly eto amin’ity PC 23 ity noho ny  fahasimban’ity Barazy ity. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny Governemanta japoney, tamin’ny alalan’ny Jica sy ny Fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena, dia raikitra ny « Tetikasa Fanajariana ny fitarihan-drano fanondrahana tanimbary amin’ny ilany atsimo andrefan’ny farihin’Alaotra ». Mitentina 3,2 miliara Yen Japonais na manodidina 110 miliara ariary no tentim-bidin’izy io. Afaka manondraka tanimbary 10.000 Ha ao amin’ny Faritra PC 23. Ny orinasa Dahio Corporation no nanao ny barazy.

Nambaran’ny minisitry ny Fambolena, Harifidy Ramilison fa « velirano fahasivy ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo no teny filamatra hiadiana amin’ny tsy fanjarintsakafo. Fiaraha-mientana amin’ny Fanjakana japone, izay nisafidy ny PC 23. Fanajariana lemaka vaovao mirefy 3000 ha. Tsy mijanona amin’ity asa fanavaozana barazy ity ihany, ny fanatsarana ny voly vary fa eo koa ny fanapariahana ny fomba fambolem-bary papri. Ny 70000 Ha amin’izany dia atao anatin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Tonga nanome voninahitra ny fotoana, ny Filoha Andry Rajoelina, Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Naharimamy Irmah, Minisitry ny Fambolena, Depioten’Amparafaravola sy Ambatondrazaka, Governoran’ny Faritra Betsiboka sy Governora Alaotra Mangoro izay tompontrano, ny Masoivohon’i Japon eto Madagasikara Higuchi Yoshihiro,  Ramatoa Tanaka Kaori solontenan’ny Jica (Agence japonaise de coopération Internationale) eto Madagasikara.

Fermer