Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
AMPASIKA ILANIVATO: Telo mianaka namoy ny ainy vokatry ny fianjerana rindrim-bato
Amoizana aina hatrany ny fianjerana rindrim-bato vokatry ny rotsak’orana misesy teto amintsika. Telo mianaka indray no lavo tao anaty loza fianjerana rindrim-bato, tamina trano iray teny Ampasika Ilanivato Anosipatrana, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Zazavavy iray nieren-doza…
Maromaro ireo fahafatesana vokatry ny fianjerana rindrim-bato ateraky ny rotsak’orana tato ho ato. Ankoatra ireo efa voalaza araka ny fampitam-baovao teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, dia olona telo indray no namoy ny ainy vokatry ny fianjerana rindrim-bato, ny alin’ny sabotsy 22 febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny misasak’alina, teny Anosipatrana, manakaiky ny fiangonana FJKM Ilanivato. Raha ny fantatra, dia noho ny rotsak’orana betsaka tamin’iny herinandro lasa teo iny no antony nahatonga ny loza, raha voalaza fa tsy nisy nanam-po ny fianjeran’ity rindrim-bato ity. Nifatratra avy hatrany tamina trano hazo tao ambaniny io rindrina io ary namoy aina telo avy hatrany. Ny renim-pianakaviana 46 taona, miampy ny zanany mianadahy 06 taona sy 08 volana no indray maty tao anatin’io loza io. Rehefa nandeha ny fikarohana ny olona ambiny voatsindry tao, izay nifarimbonan’ny Mpamonjy voina sy ny Polisin’ny PA Ilanivato ary ny fokonolona, dia hita soa aman-tsara sy mbola velon’aina ny zazavavy iray 11 taona, nentina haingana nihazo ny hopitaly mba hahazo fitsaboana. Naterina teny amin’ny tranom-paty ny razana taorian’ny fahitana azy ireo. Dimy mianaka no monina ao amin’ity tokantrano niharan-doza ity, raha ny fantatra, ary tsy tao ny raim-pianakaviana tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Amin’ny voina mitranga eny anivon’ny fiarahamonina tahaka izao, izay mampisahotaka ny fiarahamonina, dia mijoro ho amin’ny fandaminana sy ny fampandriana fahalemana hatrany ny Polisim-pirenena. Ity teny Ilanivato ity, dia niambina ny trano niharam-boina sy ny manodidina ny Polisin’ny PA Ilanivato. Izany dia ho fampiharana hatrany ny Polisy miaro sy manampy ny vahoaka. Raha tsiahivina, ny volana novambra 2024 no nisiana telo mianaka maty nianjeran’ny rindrim-bato tao an-tranony, teny amin’ny Fokontany Mananjara Andrefan’Ambohijanahary. Anaty mamanton’alina hatrany no nitrangan’ny loza. Tsy mitsahatra manentana ny mponina mba hiala avy hatrany amina toerana tsy azo antoka na mampiahiahy ny tompon’andraikitra, toy ny rindrim-bato, trano mitriatra, hazo mitady ho tapaka sy ny sisa, mba hiala ny trano fonenany avy hatrany na hampandre haingana ny manam-pahefana, toy ny biraon’ny Polisim-pirenena akaiky, BNGRC amin’ny alalan’ny laharana maitso 930.
Nangonin’i Stan R.




