PolitikaSongadim-baovao
ANDRIANJATO VONISON: Lasa nitsoaka sy niafina
Rehefa avy nanao teny tsy voahevitra sy fandranitana ary fiantsoana fanonganam-panjakana ny Minisitra teo aloha, Andrianjato Vonison, dia tsy hita popoka rehefa nampiantsoana nanomboka afakomaly. Nitsotra ny loharanom-baovao teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa efa nandehanana teny amin’ny trano fonenan’Andriamatoa Andrianjato Vonison, ny andron’ny alatsinainy 08 Febroary sy omaly talata, saingy tsy hita ny misy azy. Efa mahina, noho izany, ny mpanao ratsy ka izao vaky nandositra izao.
Tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy teo ny Minisitry ny Serasera teo aloha, Andrianjato Vonison, raha toa ka tokony ho nalaina am-bavany tetsy amin’ny Sampana misahana ny heloka bevava eo anivon’ny Zandarimaria eny Fiadanana. Antony maromaro no nampiantsoana ity maherifon’ny Miara-manonja ity, araka ny fantatra. Isan’izany ny fiantsoana fikomian’ny mpitandro filaminana, indrindra ny teo anivon’ny Zandary. Tsy nihambahamba tokoa mantsy ity tomponandraikitra teo aloha ity nilaza fa tsy tokony handray baiko amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandariam-pirenena intsony ny zandary rehetra. Tsy azo inoana hoe Ingahy Andrianjato Vonison no tsy hahalala fa heloka bevava enjehin’ny fehezan-dalàna famaizana izany nataony izany. Mahagaga, noho izany, hoe natao ny fiantsoana fikomiana, kanefa tsy mahasahy mizaka izay vokany avy eo.
Tsy vitan’izany anefa, mbola hanenjehana ity mpanao politika ity ihany koa ny fanelezana vaovao tsy marina sy ny fanalam-baraka ary ny fampirisihana fankahalana. Tsy nisy tsy taitra tokoa mantsy ny rehetra tamin’ny nilazan’ity mpanentana ao amin’ny Miara-manonja ity ny hoe vola avy amin’ny vondrona mpampihorohoro avy any ivelany no hamatsiana ny vinam-pampandrosoan’ny Filoha Andry Rajoelina. Fanambarana izay tsy hananany porofo mihitsy na dia kely akory aza. Ny mety ho fiantraikan’izany teny izany anefa dia goavana, na ny eto an-toerana, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Entina hilazana fa efa mibirioka amin’ny tsy tokony ho izy intsony ny resaka ataon’ny mpanohitra amin’ny onjam-peo ankehitriny, ary lohany amin’izany ny Minisitra teo aloha Andrianjato.
Hitarika fanonganam-panjakana?
Mbola nambaran’Andrianjato Vonison ihany koa fa tsy misy mpitandro filaminana intsony eto amintsika, izay fanakorontanana saim-bahoaka fotsiny tsotra izao, sady fandrangitana ireo mpitandro filaminana malagasy rehetra amperinasa ankehitriny. Izy aza izay mbola niantso fanonganam-panjakana mihitsy, nandritra ny hetsika politika notanterahina ny Sabotsy lasa teo. Notsindriany fa indimy izay no nisy fanonganam-panjakana teto Madagasikara, ary io kasainy atao io fanineniny. Izany hoe, efa tsy miolakolaka intsony Ingahy Andrianjato Vonison nilaza fa fanonganam-panjakana no tanjony, ary izy tenany mihitsy no hitarika izany amin’ny Fanjakana Andry Rajoelina izao. Nibaribary tanteraka tamin’io andro io fa hetsika politika hitondra mankany amin’ny fanonganam-panjakana ilay nohirahiraina fa “fitsangantsanganana” hatramin’ny voalohany.
Andrasana, noho izany, izay tohin’ny raharaha. Ny zavatra nisy aloha dia efa tsy niakatra tao amin’ny Miara-manonja intsony ity mpanao politika ity nanomboka ny alatsinainy teo. Nanamafy ny teo anivon’ny Zandary fa indroa nankeny amin’ny trano fonenan’Ingahy Andrianjato Vonison izy ireo hanatitra taratasy fiantsoana ho azy, saingy tsy nahita azy. Hatreny amin’ny MBS izay toerana fanaovana ny fandaharana isan’andro aza tsy nahitana azy ihany koa. Mipetraka àry fanontaniana raha tena taonan’ny fahasahiana tokoa ity taona ity ho an’ny mpanohitra? Vao fampiantsoana etsy Fiadanana fotsiny ihany aza dia efa tsy nipoitra sy manao an-kisitrika tahaka izao?
Tsiahivina fa ankoatra ireo raharaha rehetra voatanisa teo ireo dia mbola mahavoasaringotra an’Andrianjato Vonison ihany koa ny fanodinkodinam-bola teo anivon’ny ORTM ny taona 2015 sy 2016, fotoana naha minisitry ny Serasera azy tamin’izany fotoana.
Ny Fanoratana.




