Politika

ANDRIATONGARIVO LALATIANA: « Ny fanajana ny lalàna no fetran’ny demokrasia »

Nandritra ny fidinana ifotony nataony tany amin’ny Faritanin’i Toamasina no nanaovan’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fandaharana manokana niresahany ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Notsindriany tao anatin’izany ny mbola fisian’ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra eto amintsika, saingy, ny fanajana ny lalàna kosa no fetran’izany, hoy izy.

“Raha mbola afaka miteny amin’ny haino aman-jery ny mpanohitra dia mbola afaka miteny isika fa misy demokrasia izany eto Madagasikara”, hoy ny mpitondra tenin’ny Governemanta, sady minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny faran’ny herinandro, tany Toamasina. Notsindriany tamin’izany fa ny mbola fahalalahana miteny eto amintsika no porofo fa mametraka ny tena demokrasia marina ny Fanjakana. Ankehitriny, mbola afaka mitety faritra manao ny fihetsiketsehana ataony ireo avy amin’ny  fanoherana. Ny tsikera amin’ny onjam-peo sy an-gazety ihany koa dia tsy mbola norarana mihitsy. Entina hanam-porofoina fa manaja demokrasia ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny. Izany fahalalahana maneho hevitra sy miteny izany anefa dia mitaky fanajana lalàna, araka ny fanazavany. “Ny fanajana ny lalàna no fetran’ny demokrasia… tsy hoe asaina manaja lalàna dia midika izany fa voatohitohina ny demokrasia”, hoy izy. Notsiahiviny, nandritra izany, ny zava-niseho tany Mahajanga farany teo tamin’ny fotoana nahatongavan’ny antoko Tim tany an-toerana, izay nikasa hamory olona kanefa tsy nahazoana alalana. “tsy hoe tsy afaka naneho hevitra tany Mahajanga dia tsy misy ny demokrasia”, hoy izy.

Tsy propagandy ny fitetezam-paritra ankehitriny   

Ho an’ny Fitondram-panjakana, misy ny fotoana hiasana, ary misy ny fotoana hiresahana, hoy ny Minisitra Lalatiana Andritongarivo. Izany rahateo koa no tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka. Nanararaotra nitondra fanazavana mahakasika ireo tsikera maro entin’ny avy amin’ny fanoherana mahakasika ny Fitondram-panjakana, noho izany, ny tenany. Isan’izany ny fitetezam-paritra izay ataon’ny Filoham-pirenena sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta isan-tsokajiny. “Amiko dia tsy olana ny fisehosehoana raha toa ka mahavita zavatra”, hoy izy. Notsindriany fa asa tsy vita nandritra ny taona maro no enjehin’ny Fanjakana vitaina amin’izao fitantanana izao. Ary koa, tao anatin’ny Velirano daholo ireo zavatra ataon’ny Filoha isaky ny Faritra ireo fa tsy fampielezan-kevitra vaovao indray akory. “Efa natoraly amin’ny Filoha ny manatona vahoaka”, hoy izy. Dikany, manatanteraka ny Velirano ny Filoha fa tsy manao propagandy.

Fifidianana Loholona

Mbola nandritra io fandaharana manokana omaly io ihany koa no nitondrany fanazavana mahakasika ireo tsikera isan-karazany momba ny firosoana amin’ny fifidianana Loholona. Notsiahiviny fa tsy Fanjakana ankehitriny mihitsy no tsy nahavita ny fifidianana ireo lehiben’ny faritra sy ny mpanolontsaim-paritra, eo koa ireo lehiben’ny faritany sy ny mpanolontsaina any amin’ny faritany, fa ny Fitondrana teo aloha sy Rakotovao Rivo izay anisany manakiana ankehitriny. Tsy sakana amin’ny firosoana amin’ny fifidianana Loholona, noho izany, ny tsy fahafenoin’ireo mpifidy vaventy ireo. Mahakasika ny tsy fandraisana anjaran’ny antoko HVM sy ny TIM, nambaran’ny mpitondra tenin’ny Governemanta fa tsy manaisotra ny “légitimité” an’ny fifidianana izany, satria ny ampahany betsaka amin’ireo mpifidy vaventy dia vonona handray anjara avokoa. Hatreto, manodidina ny 13995 no fitambaran’ireo mpifidy vaventy rehetra manerana ny Nosy. Raha tsy handray anjara izany ireo mpifidy vaventy avy amin’ny fanoherana, izay mitotaly 399, dia mbola hisy ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna 13595 isa hividy amin’ny faha-11 Desambra ho avy izao.

Ny Fanoratana.

Fermer