PolitikaSongadim-baovao
ANDRIATONGARIVO LALATIANA: Tsy midika ho fihoaram-pefy ny demokrasia
Nitondra fanehoan-kevitra mahakasika ny fiainana ny demokrasia eto amintsika ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, no sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Andriatongarivo Lalatiana, omaly. Nambarany tamin’izany fa tsy midika ho fihoaram-pefy ny demokrasia. Ary tokony hiainana ao anaty fanajana ny lalàna hatrany izany.
15 Septambra, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Demokrasia. Nanamarika izany isika teto Madagasikara, tamin’ny alalan’ireo hetsika nahitana adihevitra isankarazany, nokarakaraina fikambanana sy ny fiarahamonim-pirenena samihafa. Omaly, nitondra ny fanehoan-keviny ny ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, no sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Andriatongarivo Lalatiana, raha nanontanian’ny mpanao gazety, tetsy Anosy. Raha nisy, hoy izy, Fitondrana nahazo tsikera namaivaivay dia anisany voalohany tamin’izany ity Fitondrana mijoro ankehitriny ity.
“Tsy mbola nanohitohina ny resaka demokrasia mihitsy izao fitondrana mijoro izao”, hoy ny fanazavany.
Notsindriany manokana fa ny demokrasia dia tsy midika ho fihoaram-pefy mitondra mankany amin’ny fandikan-dalàna. Etsy ankilany, tsy ny fitondrana ankehitriny, hoy izy, no nametraka ny lalàna misy eto amin’ny tany sy ny firenena fa efa lalàna efa nisy teo hatramin’izay ny lalàna mihatra eto. Eo anatrehan’izany, nohamafisin’ny Minisitra Andriatongarivo Lalatiana, fa misy Soatoavina na « Valeur » tokony hajaina foana, indrindra ho an’ny firenena toa an’i Madagasikara izay mandala ny Soatoavina malagasy.
Demokrasia anaty fanajana ny lalàna
Ankoatra izay, nohamafisiny fa ao anatin’ny demokrasia ny fanajana ny lalàna, na inona na inona tiana hatao. Ny Fitondrana mijoro ankehitriny mbola tsy nanao fanohitohinana ny demokrasia mihitsy raha mbola ao anaty fanajana ny lalàna. Matetika tokoa mantsy rehefa misy zavatra hanoherana ny zavatra ataon’ny Fitondrana, dia misy sokajin’olona sasany manao fihetsika sy fanehoan-kevitra mivaona amin’izay voalazan’ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny Firenena. Noho ny fampanarahan-dalàna, noho izany, dia tsy maintsy misy ny fandraisana ny fepetra. Tsy midika anefa izany fa tsy misy ny demokrasia. Saingy tokony hatao anaty fanajana ny lalàna izany.
Fahalalana maneho hevitra sy miteny
Ankoatra izay, ity Fitondrana mijoro ity no nahasahy nanao fanamby ny hametraka ny fahalalana maneho hevitra sy miteny, na ilay antsoina hoe “Liberté d’expression” teto amintsika. Notsiahivin’ny minisitra tompon’andraikitra, fa roapolo taona no niandrasana ny lalàna vaovao mikasika ny serasera, izay nanahirana nandritra ny taona maro, indrindra ho an’ny mpanao gazety. Efa betsaka ny hetsika natao momba iny lalàna iny, hoy izy. Nisy hatramin’ny fidinana andalambe sy ny sisa. Ny Fanjakana amin’izao fotoana izao anefa no nahavita nitondra izany lalàna izany hatramin’ny farany. Ary efa eo amin’ny dingan’ny fampananan-kery ny lalàna no misy antsika amin’izao fotoana izao.




