SamihafaSongadim-baovaoSosialy

ANDRO ERAN-TANY HO AN’NY TENINDRENY: Nomen-danja ny fahasamihafan’ny fiteny eto Madagasikara

Isany mampanan-karena ny tenindreny eto Madagasikara, ny fahasamihafan’ny fomba fiteny manerana ny lafivalon’ny Nosy. Zava-dehibe izany, ary tokony hampiroboroboana fatratra fa tsy hatao sakana tsy hampiray ny samy Malagasy. Mifanindra an-dalana tanteraka tamin’izany ny lohahevitry ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tenindreny 2021, izay niompana tamin’ny hoe "Raika avao atsika ndre da samby hafa ny fijakana"

Ny 21 Febroary no daty natokan’ny Unesco hankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tenindreny. Ho an’i Madagasikara manokana, tao amin’ny renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany, tao Manakara no nosafidiana ho ivon’ny fankalazana tamin’ity taona ity. « Raika avao atsika ndre da samby hafa ny fijakana », io no lohahevitra nentina nitondrana ny fankalazana izay andro maneran-tany ho an’ny tenindreny izay.

Araka io lohahevitra nosafidiana io, nivoitra nandritra ny fankalazana ny maha zava-dehibe ny fahasamihafan’ny fomba fitenintsika eto Madagasikara, na dia samy teny malagasy avokoa aza no iantsoana azy ireny, izay sady tenindreny rahateo. “Anisan’ny maha firenena ny firenena iray ny teny ao aminy. Ny tenindreny ihany koa no teny mifamatotra amin’ny firenena. Zava-dehibe ny fampiroboroboana ny fahasamihafan’ny fiteny, izay harena ho an’izao tontolo izao”, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Izany indrindra no nahatonga ny teo anivon’ity Minisitera ity, nanomboka ny taona 2020, nametraka ny maha zava-dehibe ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tenindreny. Napetraka ho lohahevitry ny taom-pankalazana ny « Raika avao atsika ndre da samby hafa ñy fijakana » satria na dia samy manana ny fomba fiteniny aza ny faritra eto Madagasikara dia mifandray sy mifankahazo hatrany.

Hetsika maromaro

Tetsy ankilany, mifanindra an-dalana amin’ny fandaharanasan’ny Minisitera « Iray Ihany Isika » ihany koa io lohahevitra io, izay manamafy ny maha iray ihany ny Malagasy, na dia samy manana ny Kolontsainy aza ny Faritra samihafa, tafiditra ao anatin’izany ny fomba fiteny. Ho an’ny tamin’ity taona ity, tafiditra tao anatin’ny fankalazana ihany koa ny fanatanterahana ny velan-kevitra nandraisan’ny rehetra anjara izay niompana tamin’ny lohahevitra hoe « Volan’onjatsy », entina hampahafantarana ny taranaka ny niandohan’ny teny Malagasy nialohan’ny taona 1500. Teo ihany koa ny Tafasiry, fifaninanana fitantarana angano, nanoloran’ny UNESCO mari-pankasitrahana ho an’ny mpandresy. “Tandrovy, koloy, zarao, ampahafantaro ny tenindreny fitaizana anao fa sady tombontsoa ho an’ny zanaka amam-para izany no tombotsoan’ny firenena”, hoy ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, nitondra ny hafatry ny Minisitra amin’ity andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ity.

Marihana fa nisolo tena ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, nanome voninahitra ny lanonana taty an-toerana ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina sy ireo delegasiona mpiara-miasa. Nanotrona ny lanonana ihany koa ny Governoran’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Vohipeno, ny Sekretera Jeneralin’ny COMNAT UNESCO, ireo manam-pahefana isan-tokony rehetra ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, solontenan’ny Sekoly, fikambanana ara-drazana, solotenan’ny Ray aman-dReny ara-drazana, mpilatsaka an-tsitrapo ary ireo anakavy amin-dreny.

Fermer