PolitikaSongadim-baovaoSosialy

ANDRO RATSY « ANA »: Namela takaitra goavana, tapaka ny lalam-pirenena faharoa

Nivoaka an-dranomasina omaly maraina ilay andro ratsy “Ana”, araka ny fampahafantarana navoakan’ny sampana mpamantatra ny toetrandro. Tsy nijanona anefa hatramin’ny alina rotsak’orana nentiny. Vokany, takaitra goavana no navelany, indrindra teo amin’ny tondra-drano sy ny fahasimbana fotodrafitrasa. Misongadina indrindra amin’izany ny fahatapahan’ny lalam-pirenena faharoa izay miantoka betsaka ny famatsiana entana eto Antananarivo, avy any Toamasina. Ahina ho hisy fiantraikany amin’ny vidin’entana eto an-drenivohitra, noho izany, ity fahavoazana ity.

Mbola mikorontana ny toetry ny andro amin’ny faritra vitsivitsy eto Madagasikara, ary mbola ahiana ho betsaka ny rotsakorana izay mety hiteraka tondradrano sy fihotsahan’ny tany, hoy ny avy eo anivon’ny Météo Malagasy, omaly, nilaza ny efa fivoahan’ilay andro ratsy “Ana” teto amintsika.

Takaitra maro no navelan’ity andro ratsy ity amin’ny Faritra izay nolalovany. Isan’izany ny fihotsahan’ny tany in-droa mihantoana hita tamin’ny lalam-pirenena faharoa. Ny voalohany dia eo akaikin’ny EPP Mandraka PK 69+300. Ny faharoa kosa dia eo Marovoalavo anelanelan’i Moramanga sy Brickaville. Tetsy ankilany, vokatry ny fahavakisan’ny barazy eo Ambodiakondro sy ny fiakaran’ny rano dia nitriatra ny arabe eo Moramanga amin’ny fidiranan’ny tanàna akaikin’ny tobin-tsolika Galana. Noho izany dia misy fiatoana ny fifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena faharoa RN2 iny, efa nanomboka omaly tamin’ny 8 ora maraina.

Efa nandray ny andraikitra rehetra hiverenan’ny fivezivezena amin’ny laoniny ny minisiteran’ny Asa Vaventy. Omaly ihany dia efa an-dalana ireo fitaovana lehibe entina hanesorana ireo tany nihotsaka amin’ny arabe (engin, bull sns…) amin’ny lalam-pirenena faharoa. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry no nahitana fa miisa 15 ny toerana misy fihotsahan’ny tany  eo anelanelan’Antananarivo sy Moramanga. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia mbola ahiana ny hisian’ny fihotsahana amin’ny toerana hafa ka tokony hitandrina ay ho mailo ny rehetra.

Hihamafy ny fahatapahan-jiro

Hanampy trotraka ny fahatapahan’ny jiro eto Antananarivo ity fahatapahan’ny lalam-pirenena faharoa ity izay miteraka fahataran’ny famatsiana solika, indrindra ny menaka mavesatra, izay marihana fa tsy misy fitehirizana eto Antananarivo fa avy any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina dia ampiasaina amin’ny famokarana herinaratra avy hatrany, araka ny fampahafantarana avy amin’ny Jirama. Ity farany izay nilaza fa voatery ampihatra ny fitsitsiana ny eo am-pelatanany, eo am-piandrasana ny fisokafan’ny lalam-pirenena faharoa. Hihena noho izany ny famokarana herinaratra ka hihamafimafy kokoa ny fahatapahan-jiro mifandimby eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo.

Ahina ihany koa anefa, ankoatran’ny lafiny herinaratra, ny fiakaran’ny vidin’entana sasantsasany eny an-tsena eo anatrehan’ity lalam-pirenena faharoa tapaka ity. Tsara ho fantatra fa entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro maro eto Antananarivo no miainga avy any Toamasina, raha tsy hilaza afatsy ny Vary Tsinjo sy ny Simenitra afaran’ny Fanjakana. Miankina amin’ny faharetan’ny fotoana hahavitan’ny RN2, noho izany, no antoka hiverenan’ny fiainana amin’ny laoniny eto Antananarivo.

Marihina fa efa namoaka fanambarana ihany koa ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana fa miato aloha, omaly sy androany, ny fitateram-bahoaka mampiasa ny lalam-pirenena faharoa sy ny faha 44 mba hisorohana ny loza.

 

Fermer