Songadim-baovaoSosialy

ANDRO RATSY – RANOMASIMBE INDIANA: Tombanana hanome rotsak’orana be amin’ny herinandro ho avy io

Raha tsiahivina dia misy ilay fikorontana ao amin’ny fari-dranomasintsika, ao amin’ny Ranomasimbe indiana, amin’izao fotoana, izay fikorontanana fahafito, raha ny voalaza. Tamin’ny 03 tolakandron’ny omaly, dia tany amin’ny 1 756 km atsinanan’i Sainte-Marie, no nisy ny foibeny. Mitondra rivotra 55km/ora izy, arahina tafiotra 70km/ora. Mizotra mianatsimo andrefana izy, amin’ny hafainganam-pandeha 33km/ora. Ato anatin’ny faran’ny herinandro moa, dia voalaza fa hanambana avy hatrany ireo nosy rahavavy Maurice sy La Réunion ity andro ratsy ity. Amin’ny herinandro ho avy io indray, noho ny fanatonany miandalana ny morontsirak’i Madagasikara, dia tombanana hanome rotsak’orana betsaka any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana izy. Nohon’ny fisian’ity andro ratsy ity koa, dia hihamafy ny tsiokan’ny Talio any amin’iny faritra Avaratra andrefan’i Madagasikara iny. Misy araka izany, ny fampitandremana amin’ny mety ho fahabetsahan’ny rotsak’orana, satria hahatratra 50 ka hatramin’ny 100mm ny tahan’ny rotsak’orana ato anatin’ny 24ora monja. Nahazo fampitandremana miloko maitso, na filazana fanairana amin’izay rotsak’orana betsaka izay, araka izany, ny ao amin’ny Faritra Sofia, Ambatososa, Analanjirofo, Atsinanana, sy ny distrikan’Ambanja. Entanina sahady amin’izay fisian’ny rotsak’orana be izay ny mponina amin’ireo faritra sy distrika voalaza. Eo koa ny fanarahana tsy tapaka ny vaovao momba ny toetry ny andro, ho an’ny mponina manerna ny Nosy. Andalam-pahafatesana ao atsimon’i Madagasikara kosa, ilay rivodoza Elvis.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer