Songadim-baovaoSosialy

ANDRO RATSY TAO AVARATRY NY NOSY: Olona iray namoy ny ainy, 5 198 traboina

Goavana ny takaitra navelan’ilay andro ratsy nandalo tao amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy ny faran’ny herinandro teo. Araka ny tatitra avy amin’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, dia olona iray no namoy ny ainy tao Toamasina II rehefa nianjeran’ny hazo. Olona iray hafa koa no naratra tao Toamasina II ihany. Araka ny tarehimarika azo omaly dia 5 198 ireo traboina, izay misy tokantrano 1 350. Ny 78 amin’ireo traboina ireo dia ao Ambatosoa, 4653 ao Analanjirofo, 545 ao Sava.

Tsara ho fantatra fa Faritra Dimy no voakasiky ny fandalovan’ity andro ratsy ity, distrika 8, ary Kaominina 16. Miisa 3 617 ireo olona nafindra toerana, izay ahitana tokantrano miisa 887. Ny 3 470 amin’ireo dia nalefa eny amin’ireo toerana manokana fanatobiana traboina, raha toa ka any amin’ny fianakaviany kosa ny 147.  1 304 ireo traboina dibo-drano, ary 37 ireo trano rava tanteraka.

Eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa indray dia tetezana iray mirefy  20 metatra ao Ankofabe, mampifandray ny Renivohitry ny Kaominina amin’ny Fokontany Anjahamarina II no tapaka. Ankoatran’io dia lalana maro hafa ihany koa no ahitana fanelingelenana taorian’ity andro ratsy iny.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer