Songadim-baovaoSosialy

ANDRO VOALOHAN’NY BAKALOREA: Olona iray mitonona ho polisy tratra misoloky amin’ny fivarotana laza adina

Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fizotry ny andro voalohan’ny fanadinana bakalorea omaly. Fandalinana ny taranja filozofia no natrehan’ireo mpiadina ho an’ny omaly maraina. Tsy nisy ny fahatarana tany amin’ireo ivontoeram-panadinana telo eto an-drenivohitra notsidihanay (LMA Ampefiloha, Antanimbarinandriana, JJ Rabearivelo Analakely). Tamin’ny 07 ora maraina no nandeha ny fiantsoana ny anaran’ireo mpiadina, raha toa ka tamin’ny 07 ora sy sasany kosa no nanomboka nikatroka izy ireo. Laza adina 3 no nosafidianana ho an’ny taranja filozofia. Voalohany ny mahakasika ny siansa, faharoa ny momba ny filozofia ary fahatelo ny fandalinana momba ny “morale”. Nirona tamin’ny fisafidianana ny laza adina momba ny siansa, araka izany, ny ankamaroan’ireo mpiadina tafaresaka taminay. Nohazavain’izy ireo fa ny fomba fandalinana io laza adina voalohany io no voafehin’izy ireo kokoa ka antony nahatonga ny safidy. Manana fanantenana amin’ny fahazoana naoty tsara amin’ny taranja filozofia, noho izany, ireo mpiadina. Taranja mifandraika amin’ny teny vahiny faharoa kosa no nanadina ho an’ny tapak’andro hariva omaly.
Ankilany, hentitra amin’ny fanamafisana ny fepetra fiarovana ny zotram-panadinana ireo tompon’andraikitra isaky ny ivontoerana. Ankoatra ireo fepetra izay efa raisin’ny Ministera foibe dia fepetra mihatra eny amin’ireo ivontoeram-panadinana ihany koa ny fisavana isaky ny efitrano mialoha ny handalinana taranja iray. Tsy mahazo mampiasa na mitondra finday miaraka aminy ny mpiadina eo am-panatanterahana ny fanadinana. Vonoina ny finday ary alefa eny aloha mba harahi-maso. Ho an’ireo izay mandeha any amin’ny trano fidiovana indray dia misy ny fisavana mialoha ny fivoahana sy ny fidirana.
Hita manohana hatrany ireo zanany miatrika fanadinana moa ireo Ray aman-dReny ho an’io andro voalohany omaly io. Ny any amin’ny resaka fanohanana ara-tsakafo no tena sahanin’izy ireo. Misafidy ny hikarakara sakafo avy any an-trano, haterina eny amin’ny toeram-panadinana, ny ankamaroan’ny ankohonanana noho ny tahotra amin’ny mety fahapoizinana mahazo ny ankizy, na tojo sakafo mavesatra. Misy amin’ireo Ray aman-dReny no nanapaka ny asany mandritra ny andro maromaro mba hahafahana manara-maso akaiky ny zanany ao anatin’izao fiatrehana ny fanadinana izao. Ao kosa ireo tsy afa-manoatra fa tsy maintsy manohy miasa manomboka amin’ity anio ity.

Olona iray voasambotra

Nisongadina nandritra io andro voalohan’ny fanadinana bakalorea omaly io ihany koa ny fahatrarana olona iray mitonona ho polisy misoloky amin’ny fivarotana laza adina eny amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky. Tatitra navoakan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) ny hoe mivarotra ny laza adina amin’ny sarany 60 000Ar io olona milaza ho polisim-pirenena tokony hanampy amin’ny fiarovana ny laza adina io. «Laza adina sokafana manaraka ny ora fanokafana azy amin’ny 07 ora sy sasany amin’ny fanombohana ny fanadinana no alainy sary dia haparitany haingana eto amin’ny Facebook mba hilazany hoe nahita laza adina mialoha izy, ahafahany misoloky amin’ny laza adina manaraka izay marihana fa mbola tsy mivoaka ary tsy hivoaka raha tsy amin’ny ora voatondro hamoahana azy», hoy hatrany ny tatitry ny Ministera. Efa voasambotra moa ankehitriny io olona io ary efa natao ny famotorana azy. Nanamafy ny tompon’andraikitra fa tsy hitsitsy mihitsy amin’ireo olona mandika ny lalàna. Na iza na iza dia hiaran’ny sazy enjana avokoa.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer