Songadim-baovaoSosialy

ANDRON’NY VEHIVAVY 2022: Asongadina ny fahafaha-miavotra sy ny fifanampian’ny vehivavy

8 Marsa, andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Mankalaza izany isika eto Madagasikara amin’ity anio ity. Lohahevitra nosafidiantsika ny hoe: “Viavy mihavotse, miatrika sy mifanampy ho taratry ny fitovian-jo, antoky ny fampandrosoana lovainjafy". Ireo hetsika rehetra efa natao ho fanamarihana ny andron’ny vehivavy, nanomboka ny fiandohan’ny volana Marsa teo, dia saika efa nanasongadina an’io lohahevitra io avokoa. Antsirabe no mandray ny ivon’ny fankalazana amin’ity taona ity.

Lohahevi-dehibe iraisampirenena ho fanamarihana ny andron’ny vehivavy, 8 Marsa, amin’ity taona ity ny hoe : “ Ny fitoviana ankehitriny ho an’ny hoavy maharitra”. Ho antsika eto Madagasikara manokana, nisafidy lohahevitra manokana isika entina hankalazana ity andro anio ity, izay tsy mivaona amin’io lohahevitra iraisampirenena io ihany. Ho antsika dia ny “Viavy mihavotse, miatrika sy mifanampy ho taratry ny fitovian-jo, antoky ny fampandrosoana lovainjafy », io no lohahevitra. Hatramin’ny fiandohan’ity volana marsa ity dia efa maro ireo hetsika natao ho fanamarihana ny andron’ny vehivavy, na dia mbola tsy nisokatra tamin’ny fomba ofisialy aza ny fankalazana izany.

Omaly, hetsika fambolen-kazo tao Andraikiba, Faritra Vakinankaratra no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ao Antsirabe, izay mandray ny ivon’ny fankalazana amin’ity taona ity. Miavaka amin’ny fambolenkazo mahazatra no natao omaly satria Teknika japoney antsoina hoe “Miyawaki” no ampiasana amin’ny fanarenana ny ala ao Andraikiba ahafahana mampitombo ny ala vetivety na micro-forêt. Ity teknika ity izay ahafahana mamboly hazo mifanetihety, izany hoe, hazo 3 isaky ny metatra toradroa ary ahitana vokatra avo folo heny mihoatra ny fambolen-kazo mahazatra.

Karazankazo zanatany (espèces autochtones) 30 mahery no voavoly tao Andraikiba – Faritra Vakinakaratra omaly. Ankoatra ny zanakazo 2500 fototra novolena omaly, dia hisy zanakazo 4000 fototra ihany koa omen’ny Ministeran’ny Tontolo iainana ireo mponina eny ifotony ho volena manodidina ny farihin’Andraikiba. Misy tombontsoa ara-ekolojika ihany koa ity teknika japoney ity, ankoatra ny tombony ara-tontolo iainana. Araka ny nambaran-dRamatoa Mialy Rajoelina : “Ankoatra ny tombontsoa amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro dia misy tombontsoa ara-ekolojika ihany koa ity teknika japoney ity, satria na ireo karazam-biby samihafa aza dia ho tamana eto. Ireo harena voajanahary no miaro sy mamerina indray ny nofontany”, hoy izy.

Hetsika samihafa

Taorian’ny hetsika fambolen-kazo dia nanokatra amin’ny fomba ofisialy ny varotra fampiratiana « salon du savoir-faire au féminin » izay notontosaina manoloana ny Gara Antsirabe ny vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina. Tranoheva manodidina ny 30 no hita amin’ity varotra fampiratiana ity, izay mampiseho ny fahaizamanao sy ny asa tanan’ireo fivondronan’ny fikambanam-behivavy avy amin’ny Faritra 23, « Vehivavy Miavotra ». Mandray anjara amin’ity hetsika ity ihany koa ireo sampan’asa sy sampan-draharaha miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana miara-miasa akaiky amin’ny fampiroboroboana ny vehivavy.

Namarana ny andro voalohan’ny fankalazana ny 8 martsa omaly kosa, tao amin’ny renivohitry ny Faritra Vakinankaratra, ny fihaonana sy fijoroana vavolombelon’ireo vehivavy miavotse natao tao amin’ny Kianja Mitafon’Antsirabe. Nanatrika izany, ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina. Vehivavy miisa 8 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no nizara ny lalana nodiaviny izay nampiseho fa vehivavy miavotse sy mizaka tena tokoa ny vehivavy Malagasy. Ankoatra ny fanomezana sehatra ireo vehivavy hifampizara ny lalana izay nodiaviny, izao fihaonana izao dia natao ihany koa hanamafisana ny fanentanana amin’ny fampiarana ny zon’ireo vehivavy sy ny ankizivavy ary indrindra natao hanamafisana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny fampandrosoana lovain-jafy.

Fermer