Songadim-baovaoToekarena
ANDRY RAJOELINA ANY DUBAI: Miantso mpampiasa vola ho avy eto Madagasikara hampiroboroboana ny fizahantany
Niditra tamin’ny andro faharoa ny fihaonana an-tampon’ireo governemanta maneran-tany, omaly. Mandray anjara amin’izany ny Filoha Andry Rajoelina sy ny delegasionina malagasy tarihiny. Manamarika manokana ity andro faharoan’ny fandraisana anjaran’ny Filoha amin’ny « WGS 2025 » ity, ny fandraisany anjara fitenenana nandritra ny « plenary sessions » (Sénaces plénières) tao amin’ny Main Arena Al Mina, ao anatin’ny Fihaonana an-tampon’ireo governemanta maneran-tany. Voaasa manokana hanao kabary nandritra ny lahadinika mikasika ny fizahantany ny Filoha malagasy. Lohahevitra tamin’izany ny hoe « inona no miteraka sakana ho an’ny hoavin’ny sehatry ny fizahantany? ». Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’izany fa ny kaontinanta afrikanina no hoavin’ny fizahantany, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Manan-karena ara-kolontsaina sy amin’ny harena an-kibon’ny tany i Afrika. Tsy maintsy misy kosa nefa ny fanamby atrehin’ny kaontinanta afrikanina hahafahany ho tonga amin’izany toerana izany. Eo ny fametrahana fotodrafitrasa ilaina amin’ny sehatry ny fizahantany mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, ny fanatsarana sy ny fanamafisana ny fifandraisana an’habakabaka izay hitatitra ireo mpizahatany, ny fisintonana ireo mpampiasa vola vahiny, amin’ny alalan’ny fametrahana tontolon’ny fandraharahana azo antoka. Eo koa ny fanavaozana lalandava ny kalitaon’ny tolotra omena ny mpanjifa, izay tsy mitsahatra mivoatra.
Naneho ny fahavononan’i Madagasikara
Ho an’i Madagasikara, efa lasa lavitra ny ezaka ataon’ny Filoha Andry Rajoelina eo amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany. Tafiditra ao anatin’ny andry fototry ny fampandrosoana faharoa sy laharam-pahamehan’ny Filoha Andry Rajoelina ny fampiroboroboana ny fizahantany. Sehatra goavana nentin’ny Filoha nandresena lahatra ireo mpampiasa vola iraisampirenena sy eo anivon’i Dubai ary ny Emirats Arabes Unis, hitodika amin’i Madagasikara, hisafidy an’i Madagasikara, mba hampiasa ny volany sy handraharaha amin’ny sehatry ny fizahantany eto amintsika ny kabariny omaly.
Nasongadin’ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy manam-paharoa i Madagasikara raha samy firenena hizahatany. Tsy manam-paharoa koa, araka izany, ireo tolotra ara-pizahantany azon’ireo mpampiasa vola sy mpandraharaha atao eto amintsika. Eo amin’ny harena voajanahary, valanjavaboary maro eto amintsika no sokajian’ny UNESCO ho harena ara-boajanahary maneran-tany noho ny hatsarany sy ny zavamananaina sy zavamaniry ao aminy, tsy misy raha tsy eto amintsika. Mahatalanjona sy tsy misy mpanana ireo torapasika, haram-bato, dobo filomanosana voajanahary misy eto amintsika. Tombony goavana ho an’i Madagasikara amin’izany sehatry ny fizahantany izany koa ny toerana misy an’i Madagasikara eto amin’ny izao tontolo izao. Tetezana mampitohy an’i Azia sy aty amin’ny faritra Atsinanana sy i Afrika i Madagasikara.
Mahafeno ny fepetra…
Noho ireo rehetra ireo, mahafeno ny fepetra ho firenena tena tokony hahasarika ny mampiasa vola sy andraharahana amin’ny fizahantany i Madagasikara. Naneho ny fahavononany tanteraka hanokatra an’i Madagasikara ho firenena azo an-draharahana am-pilaminana sy am-pahatokisana amin’ny sehatry ny fizahantany ny Filoha Andry Rajoelina. Eo amin’ny lafiny fitaterana an’habakabaka, paikady napetraky ny Fanjakana ny antsoina hoe : « Open sky » ka anisany dingana goavana vita amin’izany ny fisokafan’ny sidina « Dubai – Antananarivo ». Sehatra azo andraharahana koa ny lafiny fananganana fotodrafitrasa mikasika ny trano fandraisam-bahiny, mifanaraka amin’ny fenitra. Manao ezaka manokana ny Filoha Andry Rajoelina sy ny fitondrany amin’ny fanamaroana ny pitsopitsony ilaina amin’ny fandraharahana. Ho an’ity taona 2025, trano fandraisambahiny manana kintana 5 maro no hitsangana. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny Filoha Rajoelina ny hampiroboroboana ny fizahantany ihany koa ny fampiofanana manokana amin’ny fandraisana ireo vahiny.
Rado Harivelo



