PolitikaSongadim-baovao
ANDRY RAJOELINA: Hiresaka ireo asa vita sy ireo mbola miandry
Toy ny fanaony isan-taona, hitafa amin’ny vahoaka malagasy ny Filoha Andry Rajoelina, anio amin’ny 8ora alina. Fotoana hanaovany jery todika ny taona 2022 sy firariantsoa sahady ho an’ny taona vaovao 2023. Hiavaka kosa ny lahatenin’ny Filoha amin’ity anio ity, satria io no fanambarana faran’ny taona farany ataony mialohan’ny fifidianana amin’ny taona ho avy. Tombanana, araka izany, ny hanaovany jery todika ireo zava-bita sy tontosa rehetra nandritra ny efa-taona nitantanany.
Anio no fitafana farany amin’ny vahoaka amin’ity taona 2022 ity ho an’ny Filoha Andry Rajoelina. Raha ny tokony ho izy, fotoana fanaovana jery ny todika ny taona nodiavina ny faran’ny taona toy izao, ary firariantsoa ho an’ny taona vaovao ho avy. Azo heverina hiavaka kosa anefa izany amin’ity taona ity, satria anio no fitafatana faran’ny taona farany hataon’ny Filoha mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana amin’ny taona 2023. Tombanana, araka izany, ny hanaovana jery todika ny fitantanana tao anatin’izay fe-potoam-piasana efa-taona izay. Inona tamin’ireo Velirano 13 no vita sy tanteraka? Inona kosa ireo mbola tsy tratra, na andalam-panatanterahana?
Samy manana ny fomba fanombanany ny fahombiazan’ny Fitondrana ankehitriny ny mpanara-baovao. Tamin’ny ankapobeny, ny fanomezan-danja ny lafiny sosialy no anisany niteraka adihevitra tao anatin’ity FItondrana ity. Toy ireo firenen-drehetra maneran-tany anefa, tsy afa-niala tamin’ny fiakaram-bidim-piainana isika teto Madagasikara noho ny Krizin’ny Covid-19 sy ny Ady eo amin’i Okraina sy ny Rosia. Hita taratra amin’izao ankatoky ny faran’ny taona sy ny taom-baovao 2023 izao ny fiarakan’ny vidin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Tsiahivina anefa fa efa nisy ny fifampiraharahana teo amin’ny Fitondrana ankehitriny sy ireo kaompanian-tsolika mba hifehezana ny vidin-tsolika tsy hihoam-pampana. Ny vidin-tsolika mantsy no fototra anisany mampiakatra ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny.
Ny tsy fandriampahalemana sy ny fahatapahan-jiro ihany koa dia mbola manome endrika ratsy ho an’ny Fitondrana. Ireo sehatra roa ireo anefa dia anisan’ny fampanantenana nataon’ny Filoha ny hanatsarana azy, ary efa maro ireo ezaka nataon’ny Mpitantana ankehitriny mifandraika amin’izany, saingy mbola mila ampiana ny ezaka. Tafiditra ao anatin’ireo efa natao ohatra ny fametrahana ireo toby famokarana herinaratra maro manerana ny Nosy, ary ny nametrahana ny Vondrona mpanova herinaratra fahefatra ao Andekaleka. Mbola manao sesilany ihany koa ny trangana fanolanana sy fakana ankehitriny ireo varira, ny halatra taova ary fanafihana mitam-piadiana, na dia teo aza ny fametrahana ireo Kaomisaria vaovao, Bases Opérationnelles Avancées ary ireo fotodrafitrasa maro natao hanamafisana ny fampandriana fahalemana eto amin’ny firenena. Na izany aza, nahitana fihenany ireo trangana asan-dahalo tany amin’ny Faritra maro.
Ady amin’ny kolikoly
Etsy ankilany, azo ambara ho miabo ny vokatra azon’ny Fitondrana ankehitriny teo amin’ny lafiny ady amin’ny kolikoly. Nisy fihatsarany ny naoty azon’i Madagasikara. Araka ny fantatra dia fankatoavana ny lalàna mikasika ny fandrakofana ireo harena tsy ara-dalàna sy ny fampandehanana ny Antokon-draharaha misahana ny fandrakofana ireo harena tsy ara-dalàna na Agence de Recouvrement des avoirs illicites (ARAI), ary ny fametrahana ireo singa hahafahana mampangarahara ireo fifaninanam-panjakana samihafa no nahazoana io naoty tsara amin’ny ady amin’ny Kolikoly io.
Fahasalamana sy fanabeazana
Ny Sehatry ny fahasalamana sy ny fanabeazana ihany koa dia tafiditra hatrany tao anatin’ny laharam-pahamehan’ny Filoha. Anisan’ireo firenena vitsy nahavita nifehy ny valanaretina Covid-19 i Madagasikara. Tao anatin’ny 4 taona, hopitaly manarapenitra 13 sy Tobim-pahasalamana fototra anjatony no naorina, ankoatra ny fananganana ny ozinina mpamokatra fanafody Pharmalagasy. Mbola ity Fitondrana ity ihany koa no nanao tolotra fitsaboana maimaim-poana amin’ireo fandraisana an-tanana voalohany eny anivon’ireny hopitalim-panjakana ireny. Teo amin’ny tontolon’ny fampianarana, sekoly manarapenitra miisa 300, sy efitranon-tsekoly anarivony no naorina tao anatin’ny efa-taona. Rakibolana maherin’ny 7 tapitrisa ihany koa no notsinjaraina nanerana ny Faritra. Ho an’ity taona 2022 ity manokana, mpampianatra nivoaka tao amin’ny CRINFP miisa 3 000 no noraisina ho mpiasam-panjakana.
Fanamby miandry…
Mbola maro, noho izany, ireo fanamby miandry ny Fitondrana ankehitriny, raha niainga tamin’ireo Velirano 13. Tafiditra ao anatin’ny Veliranon’ny Filoha ohatra ny fanaovana an’i Madagasikara ho maoderina. Saika mbola andalam-panatanterahana avokoa ireo tetikasa mifandraika amin’izany ankehitriny, raha tsy hilaza afatsy fanorenana ireo trano mora sy toeram-ponenana mendrika ho an’ny mponina, ny famitana tanteraka ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’Antananarivo sy Ambatondrazaka izay heverina fa hotokanana ny volana Jona amin’ny taona 2023. Ny lalam-pirenena faha-5A mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar ankehitriny no efa vita ary notokanana. Efa natomboka ihany koa ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 mampifandray an’i Ihosy sy ny Fort Dauphin. Isan’ireo fanamby lehibe ho an’ny Fitondrana ankehitriny koa ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina izay efa natomboka herinandro vitsy lasa izay ny fanatanterahana ny asa. Amin’izao herintaona mialohan’ny fahataperan’ny fepotoam-piasana izao, tetikasa goavana toy ny Teleferika, Train Urbain, Tanamasoandro ary Fly Over eo Anosizato no mbola tsy nanomboka hatreto.
Diplaomasia
Eo amin’ny lafiny diplaomasia, tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara. Tsara ny fifandraisan’i Madagasikara tamin’ireo mpiara-miombona antoka ara-bola sy ny ara-teknika, ary azo ny fitokisan’ny mpamatsy vola. Tato anatin’ny efa-taona farany, famatsiam-bola maro no azon’i Madagasikara avy tamin’ny Banky Iraisampirenena, ny Tahirimbola Iraisampirenena, ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana, ny Vondrona Eoropeanina, ary ny Amerikanina,…
Mbola manana fotoana hahafaha-manitsy ireo lesoka tao anatin’ny efa-taona farany, araka izany, ny Fitondrana Rajoelina amin’io taona 2023 io, izay taom-pifidianana. Tsara tsiahivina fa mila mametra-pialana 60 andro mialohan’ny datin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny, raha toa ka hirotsa-kofidiana amin’izany, araka ny voafaritra ao anatin’ny Lalàmpanorenanana.




