PolitikaSongadim-baovao
ANDRY RAJOELINA HO FILOHAN’NY SADC : Hisahana andraikitra goavana aty Atsimon’i Afrika sy amin’ny sehatra iraisampirenena
Handray ny fihaonana an-tampony faha 45-n’ny SADC isika ny 03 ka hatramin’ny 18 Aogositra 2025. I Madagasikara amin’ny alalan’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry Rajoelina no ho Filohan’ny SADC manomboka eo ary mandritry ny herintaona. Andraikitra maro goavana no hosahaniny ao anatin’izany , toy ny fitarihina ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana eo anivon’ny SADC, famaritana ireo laharam-pahamehana ara-politika eo anivon’ny Faritra, fisoloantena ny SADC amin’ny sehatra iraisampirenena, fandrindrana ny Troïka amin’ireo raharaha mafana aty anivon’ny faritra, fametrahana ny filaminana sy fiarovana, ary ny fanarahamaso ny fanatanterahana ireo fanapahan-kevitra niara-nandray.
Zava-dehibe ara-tantara moa ny fandraisan’i Madagasikara ity fihaonana an-tampony ity. Amin’io fotoana io ny Filoha Andry Rajoelina no handray ny fitantanana ny SADC. Voalohany tao anatin’ny 20 taona naha mpikambana antsika tao amin’ny SADC no lasa Filoha mitantana an’ity Vondrona rezionaly ity ny Malagasy. Tsara tsindriana fa tsy Filohan ‘ilay Fihaonana an-tampony fotsiny ihany ny tenany, fa ho Filohan’ny Troika an’ny SADC ihany koa, izay rafitra eo anivon’ny SADC misahana ny raharaha politika, fiarovana ary ny filaminana. Izany hoe, ny Filoha Rajoelina no Malagasy voalohany, hatramin’ny Aogositra 2005 nidirana tao anatin’ny Vondrona, hitantana ny SADC.
Firenena 16
Tsara ho fantatra fa ny SADC dia fanafohezana ny hoe Southern Africain Development Community amin’ny teny Anglisy. Fikambanana ara-paritra izay ivondronan’ny firenena 16 avy aty Atsimon’ny Afrika izy ary ao Gaborone, Botswana no misy ny foibeny. Ireto avy ireo firenena 16 mandrafitra ny SADC: Angola, Botswana, Comores, République démocratique du Congo, Eswatini, Lesotho, Madagascar, Malawi, Maurice, Mozambique, Namibie, Seychelles, Afrique du Sud, République-Unie de Tanzanie, Zambie ary Zimbabwe.
Marihina fa efa tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy teo ny « Centre de commandement opérationnel » misahana ny fikarakarana sy ny fandrindrana ny fihaonana an-tampony faha 45-n’ny SADC.




