PolitikaSongadim-baovao
ANDRY RAJOELINA: “Mila tohizina ny dingana hisian’ny fifandimbiasam-pahefana demokratika”
Mazava ny fanazavana avy amin’andriamatoa Andry Rajoelina omaly, izay nanamafy fa tahotra ny fitsaran’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifidianana no anton’ny fanakorontanana ataon’ireo Kandidà 11 ankehitriny. Efa maro anefa, hoy izy, ny dingana vitan’i Madagasikara mba hisian’ny fifandimbiasam-pahefana demokratika, ka tokony hotohizana izany.
“ Tsy misy fampandrosoana mirindra raha mbola misy foana mikasa hanakorontana ny firenena. Ny filaminan’ny firenena no antoky ny fampandrosoana “, hoy i Andry Rajoelina, Kandidà laharana fahatelo amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, amin’ny 16 novambra. Ny tenany izay nanakiana ny fihetsik’ireo Kandidà Filoham-pirenena miisa 11 izay manao fidinana an-dalambe ankehitriny. Raha mbola manana fitiavan-tanindrazana dia tokony ho ny tombotsoan’ny maro an’isa no jerena fa tsy an’olom-bitsy, hoy ny fanehoan-keviny. Nametraka ho zava-dehibe ny tokony hisian’ny fifanajana eo amin’ny samy malagasy ny kandidà Andry Rajoelina. Ilaina koa, hoy izy, ny manaja ireo rafi-panjakana rehetra manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena. Novakiany bantsilana koa ny fihetsik’ireo kandidà sasany izay manao fanambaniana, sy fanaratsiana ary herisetra amin’ny vahoaka malagasy.
Lasa kilalaon-jaza ihany koa, hoy ny Kandidà Andry Rajoelina ny fanaovana ny tenany ho “vazaha”. Mamoafady izany fihetsika izany, hoy ny fanazavany. Fampitambarana no ilaina fa tsy fampisaraham-bazana, hoy izy. Notsindriany fa ny vahoaka ihany no masi-mandidy amin’izay tiany hitondra azy, ary izany no lalànan’ny demokrasia.
Efa fantatra ny tetika
Efa fantatra, hoy ny fanazavany, ny tetik’ireo kandidà filoham-pirenena hafa ireo. Nandrasana mihitsy, hoy izy, ny fametraham-pialana tamin’ny maha Filoham-pirenena azy, dia nokorontanina amin’izay ny firenena. Mampametra-panontaniana fa Filoha efa nitondra nefa nitarika vahoaka hidina andalambe? Raha tsiahivina dia isan’ny fitakian’ireo kandidà hafa ireo ny fandravana ny Governemanta, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ary ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni).
Ara-dalàna ny Ceni
Nampahafantarin’andriamatoa Andry Rajoelina, omaly, fa efa dingana maro no nataon’i Madagasikara mba hisian’ny fifandimbiasam-pahefana demokratika eto amin’ny firenena, taorian’ny Krizin’ny 2002 sy 2009. Notsiahiviny fa nanapa-kevitra ny mpisehatra politika ny hanova lalàmpanorenana, tany amin’ny taona 2010. Nandray anjara tamin’izany ny sasany amin’ireo mitsikera ireo. Isan’ireo napetraka tao anatin’ny Lalàmpanorenana fa mametra-pialana 60 andro mialohan’ny fifidianana ny Filoham-pirenena am-perinasa raha toa ka hirotsa-kofidiana. Mba hisian’ny fifandimbiasam-pahefana eto amin’ny firenena dia napetraka ny Ceni, ary ny mpikambana ao aminy dia misy olona avy amin’ny Fitsarana tampony, ny Holafitry ny mpisolo vava, ny Holafitry ny mpanao gazety, ny fiarahamonim-pirenena sy ny sisa. Entina hilazana fa tsy mitombina mihitsy ny fiampangana ny Ceni ho iharan’ny tsindry avy amina kandidà iray, na koa hoe mitanila.
Notsindrian’ny Kandidà Andry Rajoelina omaly fa manana delege isaky ny Birao fandatsaham-bato ny kandidà rehetra. Tranga izay manamafy ny fisian’ny mangarahara amin’ny fitondran’ny Ceni ny raharaham-pifidianana eto amintsika. “Matahotra ny fitsaran’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifidianana ireo milaza ho kandidà”, hoy hatrany ny fanazavany.
Tsy vao izao no nisy HCC…
Mbola mampametra-panontaniana koa ny fangatahana fa tokony horavana ny HCC. Nampahafantarin’i Andry Rajoelina fa efa nisy hatramin’ny naha firenena ny firenena ny HCC fa tsy vao izao akory. Tsy misy mihitsy, hoy izy, antony tokony hanakorontanana ny rafi-panjakana eto amin’ny firenena ankehitriny. Notsiahiviny fa ny Filohan’ny HCC teo aloha dia notendren’ny Filohan’ny Repoblika teo aloha, saingy tsy nametrak’olana ny tenany tamin’ny taona 2018 fa niroso tamin’ny fifidianana. Ny filohan’ny HCC ankehitriny kosa dia nofidian’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara eto Madagasikara, fa tsy notendren’ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina.
Araka ny fampahafantarana nataon’i Andry Rajoelina omaly, dia nanambara ireo mpanara-maso fifidianana iraisampirenena tonga teto Madagasikara tamin’ny 2018, dia ny Vondrona Eoropeanina, ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC, fa manaraka ny fenitra iraisampirenena ireo lalàna momba ny fifidianana eto Madagasikara.




