PolitikaSongadim-baovao

ANDRY RAJOELINA TAO ITASY : « Efa jamban’ny fankahalana izay tsy mahita ny asa ataontsika »

Tonga nitokana fotodrafitrasa marolafy tao amin’ny Faritra Itasy ny Filoha Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro teo. Fotodrafitrasa izay mifandraika indrindra amin’ny filàn’ny vahoaka any ifotony, toy ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, ny tsena manarapenitra, ny toerana fihainoana ireo olona niharan’ny herisetra, ny tranompokonolona sy ny sisa maro hafa koa. « Efa jamban’ny fankahalana izay tsy mahita ny asa fampandrosoana ataontsika », hoy ny Filoha tany an-toerana.

« Mihazakazaka ny fampandrosoana. Tsy misy intsony Faritra na Distrika ho adino manerana ny Nosy. Tsy maintsy mandroso madagasikara ». Ireo no niverimberina tao anatin’ny lahatenin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, nandritra ny fitokanana ireo fotodrafitrasa maro tao amin’ny Faritra Itasy ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa fotodrafitrasa tsy nisy nanao nandritra ny taona maro no napetraka ao amin’ity Faritra ity. Tsy ao an-toerana ihany anefa fa efa fotodrafitrasa ampolony maro ihany koa no efa vita sy andalam-pahavitana ankehitriny manerana ny Nosy. Noho izany indrindra no nanambaran’ny Filoha fa « olona efa jamban’ny fankahalana izay tsy mahita ny asa ataontsika ». Izany fankahalana izany anefa, hoy izy, dia mampilentika izany fa tsy mampandroso.

Asam-panjakana, ady amin’ny herisetra,…

Isan’ny notokanan’ny Filoha, ny sabotsy teo, ny Biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny lalàna sosialy (DRTEFPLS). Ity fitaleavam-paritra ity no mandray an-tanana ny fikirakirana ny antotan-taratasin’ireo mpiasam-panjakana, izay miisa 3553 ao Itasy. Tsy voatery hiakatra an’Antananarivo intsony manomboka izao ireo mpiasam-panjakana ireo rehefa hikarakara ny antotantaratasin’izy ireo toy ny fanavaozana ny fifanarahana arak’asa na « renouvellement de contrat de travail », ny fanaovana reclassement, ny fanaovana avancement sy ny maro hafa, fa avy hatrany dia azo atao eto amin’ity DRTEFPLS vaovao natsangana eto Miarinarivo ity avokoa izany. Ho an’ny mpiasa tsy miankina, misy kosa ireo inspecteur sy controleur du travail hanome tantsoroka sy toro-hevitra momban’ny zon’ny mpiasa ihany koa eto.

Notokanana tao Miarinarivo ihany koa ny Ivon-toerana fihainoana sy fandraisana an-tanana ireo olona hiharan’ny herisetra na « Centre d’Ecoute et de Conseil Juridique”. Ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy no mitantana azy ity. “Napetraka ny ivon-toerana tahaka itony mba hanamafisana ny fanentanana ny ady amin’ny herisetra izay efa nimasoan’ny Fitondram-panjakana. Ny fihainoana ny fitarainan’ireo olona dia efa hamaha sahady ny 50% amin’ireo olana mianjady aminy, ary ny fampahafantarana azy ny lalàna dia tsy hahavoambaka azy ary indrindra hahafahana misoroka ny kolikoly”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Tsena manarapenitra voalohany eto Madagasikara

Tonga nitokana ny tsena manara-penitra tao Analavory ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo delegasiona niaraka taminy. Nambaran’ny Filoha nandritra ny kabary nataony fa ho fanatanterahana ny Velirano sy ho famaliana ny hetahetan’ny vahoaka no hanolorana sy hitokanana ny tsena manarapenitra. Misy fotodrafitrasa maro isan-tsokajiny ity tsena ity, ahitana biraon’ny zandary sy toerana fanaovana fampisehoana ary trano fidiovana sy jiro mande amin’ny herin’ny masoandro. Nohamafisin’ny Minisitry Toekarena sy ny fitantanam-bola fa tamin’ny alalan’ny fandaharanasa CCPREAS no nahafahana namatsy vola sy namita ity tsena manarapenitra ity. Mahazaka mpivarotra 1000 ny tsena. Marihina koa fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano faha 11 ny famitana ity tsena manarapenitra ity. Ankoatra izany dia nisy fanolorana fitaovam-pamokarana toy ny « tracteurs » sy masomboly ho an’ny tantsaha ao an-toerana.

Fanolorana zana-trondro miisa 50.000 isa

Tamin’ny ankapobeny, fotodrafitrasa maro mifototra amin’ny sosialim-bahoaka sy ny fihariam-bahoaka eny ifotony no notokanana sy natolotry ny Fanjakana foibe ho an’ny vahoaka tany amin’ireo Kaomina miisa telo any Itasy notsidihan’ny Filoham-pirenena. Nisy koa ny fanolorana ireo milina vaventy (Packs Engins) fanamboaran-dalana ho an’ny Faritra Itasy. Ankoatra izay, notokanana tranompokonolona nasiam-panamboarana ao Miarinarivo sy Analavory. Tetsy ankilany, nisy ny fizarana fitaovam-pamokarana (traktera, sarety, angadin’omby), masomboly ary fanafody ho fisorohana ny aretin’omby fièvre de la valley de Rift tao Analavory. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny CASEF eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ity fanolorana fitaovam-pamokarana ity. Nandritra izao dia izao koa dia Notolorana camion benne miisa 1 sy bac à ordure miisa 5 tsirairay avy ny Kaomina Miarinarivo sy ny Kaomina Analavory. Ny namaranan’ny Filoha Andry Rajoelina ny fitsidiham-paritra tany Ampefy ny 18 Septambra 2021 dia ny fanolorana zana-trondro miisa 50.000 isa amin’ilay tetikasan’ny minisiteran’ny jono sy ny toe-karena manga mampihatra ny fiompiana « à la case » sy ny fambolena lomotra maintso (algue vert).

Ny Fanoratana.

Fermer