PolitikaSongadim-baovao
ANDRY RAJOELINA TAO MAHANORO : “Laharam-pahamehan’ny Fitondrana avokoa ny sehatra rehetra”
Omaly no nigadona tao Mahanoro ny delegasiona notarihin’ny Filohan’ny Repoblika mivady taorian’ny voina nahazo an’ity Distrika ity noho ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai, ny herinandro teo. Hetsika maro no nataon’ny Filoha mivady nandritra ny fandalovany. Nandritra ity diany ity koa no nanambarany, tamin’ny fandraisam-pitenenany, fa “tsy mandeha tokana ny fampandrosoana fa laharampahamehana ho an’ny Fitondrana amin’izao avokoa ny sehatra rehetra”.
Efa hita taratra ny fandrosoana ao Mahanoro, araka ny fanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina, omaly nandritra ny fitsidihany tany an-toerana. Miova endrika i Mahanoro fa minia mikipy ireo milaza ho tsy mahita izany, hoy izy. Efa mijoro ny kianja ary efa hotokanana, izay velirano natao tamin’ny vahoaka. Efa ho vita ihany koa ny Gymnase, eo koa ny Epp manarapenitra, ny kaominina. “Natao manarapenitra ireny asa ireny mba haharitra ho an’ny taranaka mifandimby sy tsy ho ravan’ny loza voajanahary”, araka ny nambarany. Namaly ny fangatahana momba ny fanomezana ny fiara fitaterana marary koa ny Filoha ka hanome fiara tsy mataho-dalana vaovao mpitatitra marary ho an’i Mahanoro. Novaliany ihany koa ny momba ny fanamboarana ny lalam-pirenena RNT23 mampitohy an’i Mahanoro sy i Marolambo. Hisy ampahany atao pavé, béton sy terrassement ny lalana. Tsy nisy nanamboatra tao anatin’ny 60 taona ity lalana ity. Noho izany, hamboarina ny lalana ary manamarika izany ny efa nitondran’ny Minisitry ny asa vaventy ao Mahanoro ny fitaovana fanamboaran-dalana. Tsapa, hoy ny Filoha, fa miteraka olana amin’ny fampandehanana ny fiainam-bahoaka ny lalana tapaka. Nanambarany, araka izany, fa hamboarina koa ny lalampirenena RN11 : Mahanoro- Nosy Varika- Mananjary izay mirefy 181 km. Hatao tara manontolo ny lalana, araky ny toromariky ny Filoha. Efa mandeha ny tolo-bidy momba ny fanamboarana io lalana io amin’izao.
“Tsy mandeha tokana ny fampandrosoana fa laharampahamehana ho an’ny Fitondrana amin’izao avokoa ny sehatra rehetra” hoy ny Filoha raha namaly ireo manenjika azy ho manao asa tsy laharampahamehana ka mampikatso ny sehatra hafa. Hojerena ny hametrahana ny biraon’ny fanantany sy ny Fitsarana ao Mahanoro. Hojerena ihany koa ny momba ny fametrahana ny fefin’ny hopitaly ao Mahanoro sy ny fangatahana ny vondrona mpihary herinaratra ao an-toerana. Hojerena ihany koa ny fametrahana parc solaire ary azo tanterahina ny fanamboarana ny biraon’ny Lehiben’ny Distrika simba. “Hapetraka ho fitaratra amin’ny fampandrosoana ny Faritra Atsinanana”, hoy ny nambarany.
Fanampiana ho an’I Mahanoro sy Nosy Varika
Nandritra ity diany ity, nisaotra manokana ny vahoakan’i Mahanoro nanomana ny fambolen-kazo ny 19 janoary lasa teo ny Filoham-pirenena. Tsy afaka tonga tany an-toerana izy noho ny fahatongavan’ny rivodoza Ana ka voatery nanafoana ny diany tany an-toerana ary nifantoka tamin’ny famonjena ny vahoaka noho ny rivodoza. Tsy mifanary amin’ny vahoakan’i Mahanoro anefa ny Filoha na an-kafaliana na an-karatsiana. « Eo anilanareo aho » hoy ny Filoha ka antony nahatongavany tao Mahanoro nitondra fanampiana ny vahoaka very fananana sy tsy manana enti-manana intsony vokatry ny rivodoza. Nizara vatsy tsinjo araka izany ny Filoha mivady ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka. Tahaka ny efa nozaraina hatramin’izay dia vary amin’ny gony sy kojakoja samihafa no nozaraina.
Tsara marihina fa nandritra ity diany tao Mahanoro ity ihany no nandefasana ireo anjara fanampiana ho an’ny traboina ao Nosy Varika, Faritra Vatovavy. Tamin’ny alalan’ny sambo no nandefasana izany ka ny lakan-dranon’I Pangalana no hitaterana ny fanampiana. Tsy miova fa mitovy amin’ireo fanampiana rehetra efa azon’ny distrika hafa ihany no nalefa any Nosy Varika. Ahitana ny vatsy tsinjo izay hozaraina ho an’ny traboina, vary tsinjo amidy amin’ny vidiny 500ar ny kapoaka, ary ny vary amidy eny amin’ny tsena mora izay 1000ar ny kilao.



