PolitikaSongadim-baovao
ANDRY RAJOELINA TAO MALAWI : Nizara ny traikefa nentin’i Madagasikara niatrika ny Valanaretina covid 19
Tonga tao Lilongwe, Renivohitr'i Malawi ny Filoha Andry Rajoelina, hiatrika ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena sy lehiben’ny Governemanta mivondrona ao amin'ny SADC, izay tanterahina nanomboka omaly alatsinainy 16 sy anio talata 17 aogositra 2021. Nandritra ny andro voalohany omaly, nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny Filoha malagasy sy ny Filohan’I Malawi, niresahana lafin-javatra maro, ka isan’izany ny fitantanana ny Covid-19
Amin’izao ankatoky ny fivoahana ofisialy ataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina any Malawi izao, dia nisy ny fihaonana teo aminy sy ny Filohan’i Malawi, Lazarus Chakwera, tao amin’ny Lapam-panjakana Kamuzu omaly 16 aogositra 2021. Marihina fa sambany izao no nisy fihaonana manokana teo amin’ny Filoham-pirenena roa tonta, ka niompana indrindra tamin’ireo lalam-piarahamiasa eo amin’i Malawi sy Madagasikara ny resaka nifanaovan’izy ireo. Nandritra io fotoana io no nanambaran’ny Filohan’i Malawi fa nanaraka akaiky ny fomba nitantanan’i Madagasikara ny fiatrehana ny Covid-19 ny tenany, indrindra ny famokarana ny tambavy CVO sy ny CVO Plus.
I Malawi izay tsara ho fantatra fa anisan’ny firenena voa mafy tamin’ny voka-dratsin’ny Covid-19. Raha ny fanazavana, dia miditra amin’ny andiany fahatelo amin’ny fiparitahan’ny Covid-19 ankehitriny ny vahoakan’I Malawi. Manodidina ny 200 isanandro eo ireo tranga vaovao voamarina, ary efa mihoatra ny 1 900 ireo namoy ny ainy. Nahatratra hatramin’ny 3% koa ny tahan’ny olona maty noho ity valan’aretina ity ankehitriny any an-toerana.
Fizarana fanafody maimaim-poana
Nilaza ny Filoha Lazarus Chakwera, nandritra ity fihaonana ity, fa resy lahatra amin’ny fanafody nentim-paharazana sy voajanahary ho antoky ny fahombiazana amin’ny fandresena ny Covid-19 aty Afrika. Nizara ny traikefa nentin’i Madagasikara niatrika ny valanaretina covid 19 kosa ny Filoha Andry Rajoelina. Anisan’izany ny fametrahana ny fihibohana, ny fizarana maimaim-poana ireo fanafody entina hitsaboana ny valanaretina ary indrindra ny fiaraha-miasa tamin’ny Tafika Malagasy. Resy lahatra ihany koa ny Filoha roa tonta fa tokony afaka mamokatra ny vaksininy manokana ny kaontinanta Afrikanina. Nanambara ny Filoha Lazarus Chakwera, fa vonona hiara-hiasa sy hifanome tanana amin’ireo mpikaroka sy manam-pahaizana Malagasy ihany koa izy ireo.
Ankoatra ny sehatry ny fahasalamana dia nifampizara traikefa momba ny fampivoarana ny fambolena sy ny fiompiana ihany koa ny Filohan’i Malawi sy ny Filoham-pirenena Malagasy. Ny fambolena sy ny fiompiana izay anisan’ny fototry ny fiveloman’ny firenena roa tonta. Voadinika nandritra ny fihaonana ny paikady hahafahana mifanohana amin’ny sehatry ny fizahantany.
Tsara ho fantatra fa ho isan’ireo lohahevitra hodinihana mandritra ity fivoriana atao any Malawi ity ny mikasika ny fivoaran’ny fanatanterahana ireo hevitra tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny fanatanterahana ny « Plan stratégique indicatif de développement régional» (RISDP 2020-2030), ny fivoaran’ny fanatanterahana ny tondrozotran’ny SADC eo amin’ny sehatry ny indostria, ny fandinihana ny tatitry ny komity miandraikitra ny « finances » ary ny tatitry ny komity misahana ny « ressources humaines et de l’administration », araka ny fampahafantarana.



