PolitikaSongadim-baovaoSosialy

ANDRY RAJOELINA TAO SOANIERANA IVONGO : “Ho vita mialohan’ny Jona 2023 ny lalam-pirenena fahadimy mirefy 75km”

Nitohy tao Soanierana Ivongo ny dian'ny Filoha Andry Rajoelina omaly. Hetsika goavana notanterahiny tamin'izany ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-5. Lalana izay tsy nisy fanamboarana ampolo taonany maro kanefa miantoka ny famoahana ireo vokatra marobe mampiavaka an’iny faritra atsinanan’ny Nosy iny. Raha toa ka telo andro no manao ny lalana 75km ankehitriny, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra, dia ho lasa 2 ora monja izany aorian’ny fahavitany, hoy ny Filoha.

Miainga avy aty Toamasina, mihazo an’I Fenerive Est, mandalo an’I Soanierana Ivongo ary mipaka any Mananara Avaratra sy Maroantsetra, no handalovan’ny lalam-pirenena fahadimy na ny RN5. Amin’ny ankapobeny, tsy misy fiara madinika afaka mankany, fa saika ireo fiara vaventy sy fiara tsy mataho-dalana na 4×4 no misahana ny asa fitaterahana any an-toerana. Nandritra izao dian’ny Filoha Andry Rajoelina any Soanierana Ivongo izao araka izany no nanambarany ny fanamboarana ity lalam-pirenena fahadimy ity.

Nanazava ny lafiny ara-teknika sy mpitsopitsony momba ny fanatanterahana ny tetikasa ny minisitry ny Asa Vaventy, Hatrefindrazana Jerry. Nilaza ny tenany fa miainga eo Soanierana Ivongo mipaka hatrany Mananara Avaratra ao amin’ny kaominina Vahibe io ho atao io, ary mirefy 75 km. Mitentina 86 tapitrisa dôlara ny vola hanatontosana ny asa ka ny orinasa matanjaka Sinohydro no manatanteraka azy. Nomarihan’ny minisitry ny Asa Vaventy fa misy tetezana 10 no hatao ao anatin’ity fotodrafitrasa ity ka ny goavana indrindra amin’ izany ny ao Soanierana Ivongo mirefy 320 metatra. Natao hanoloana ireo bacs 4 amin’ny 6 izay nampiasana izay teo aloha ireto tetezana ireto amin’ny ampahany voalohany. Tanjona amin’ny fanamboarana ity lalana ity ny hananany velarana hatrany amin’ny 7 metatra. Hentitra kosa ny Filoha Andry Rajoelina raha nilaza fa tsy fotoan’ny fampanantenana intsony izao fa fotoanan’ny asa (action).  » Ny antsika tonga dia action fa tsy miandry ela intsony. Porofon’izany vao omaly ny fanombohana ny asa fanitarana ny seranatsambon’I Toamasina hanamaivanana ny vidim-piainana sy hanamorana ny fitanteran’entana »,hoy izy. Raha 24 volana no voafaritra hanaovana ity lalana ity, dia nanome baiko ny Filoha Andry Rajoelina ny tsy maintsy hamitana izany ao anatin’ny 18 volana, izany hoe mialoha ny 26 jona 2023 tokony ho vita tanteraka ny asa.

Vonona hanampy ireo vahoaka

Taorian’ny fametrahana ny vato fototra sy fanokafana ny takela-bato mirakitra ny fanombohan’ny asa dia nitokana ny lalana rarivato mirefy 700 metatra ho an’i Soanierana Ivongo ny Filoha sy ireo manampahefana isan-tsokajiny niaraka taminy. Nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoakan’i Soanierana Ivongo kosa no nanambaran’ny Filoham-pirenena fa vonona hanampy ireo vahoaka ao an-toerana eo amin’ny asa fampandrosoana ny tenany. « Horakofana tara manontolo ity lalana RN5 izay hatao ity fa tsy tapitapenana fotsiny. Rehefa manome fitiavana isika , dia fitiavana lehibe » hoy izy.

Nampatsahiviny indray tao Soanierana Ivongo ny fanatanterahana ilay tetikasa goavana momba ny lalana dia ny fanaovana ilay lalam-be migodana na autoroute mirefy 256 km mampitohy amin’Antananarivo sy Toamasina izay tsy maintsy hanomboka amin’ny taona ho avy. Nisy koa ny famaliana ny fangatahana nataon’ny Ben’ny tanàna sy ny Solombambavambahoaka, toy ny fanamboarana ny kianja manarapenitra ao an-toerana. Ho fanadiovana ny tanàna dia nanolotra camion benne misy dabam-pako 5 avy ho an’ny kaominina Soanierana Ivongo, Mananara Avaratra ary Maroantsetra ny Filoha Andry Rajoelina.

Fermer