SamihafaSongadim-baovaoSosialy

ANDRY RAJOELINA: Tsy manao ambanin-javatra ny ankizy

Nisy ny fandaharana manokana nataon’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, omaly, niaraka tamin’ny ankizy, ao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny ankizy. Nandritra ny fifampiresahana, nitsotra ny Filoha fa zava-dehibe aminy ny ankizy sy ny fiarovana azy ireo amin’ny karazan-javatra maro. Mifandraika amin’ny zava-misy ankehitriny, anisany teboka nametrahan’ireo ankizy fanontaniana tamin’ny Filoham-pirenena ny mahakasika ireo herisetra maro samihafa sy ny fepetra raisin’ny Fanjakana. Nandritra izany no nampahatsiahivan’ny Filoha ireo tokony hatao rehetra raha sendra misy tranga herisetra mahazo ireo ankizy. Sady fanamafisana ny fanentanana efa nataon’ny Fikambanana Fitia rahateo izany. Tetsy ankilany, anisany noresahan’izy ireo koa ny momba ny paikadin’ny Fanjakana mahakasika ny fanabeazana. Nilaza ny Filoha fa efa ataon’ny Fanjakana laharampahamehana ny fananganana Epp Manarapenitra manerana ny Distrika maro. Efa misy koa ny fizarana boky sy fitaovam-pianarana, hoy ny Filoha. Voaresaka koa ny mahakasika sehatry ny fahasalamana sy ny fitsaboana amin’ny ankapobeny, ny fiahiana ireo zaza kamboty sy ireo manana fahasembanana. Ankoatra izay, nahaliana ireo kilonga koa ny nahafantatra ny fiainan’ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny andavanandro amin’ny maha Filohan’ny Repoblika azy.

Fermer