
PolitikaSongadim-baovao
ANGOVO, LALANA, TSY FANDRIAMPAHALEMANA,…: Teboka maro mbola mila ezaka manokana avy amin’ny Governemanta
Maro ny distrika efa mahatsapa fa tonga ao aminy ny fampandrosoana, raha ny tatitra nataon’ny governemanta, sy ny voalazan’ny maro amin’ireo Solombavambahoaka nandray fitenenena teny Tsimbazaza. Misy kosa, no mbola lavitry ny afo ny kitay, mila jerena akaiky mba ho fampandrosoana mitovy sy mitohy. Nitohy omaly ny fihaonana teo amin’ireo Solombavambahoaka sy ny mambran’ny governemanta…
Hita taratra avy tamin’ny tatitry ny zava-bitan’ny Governemanta nandritra ny roa taona (2023-2024) nataon’ny Praiminisitra, omaly, teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza, fa maro ireo distrika no efa ahitana taratra amin’ny fampandrosoana izay nimatimatesan’izao Fitondram-panjakana izao, izay manaporofo araka ny tarigetra fa “tsy hisy distrika hohadino intsony anaty fampandrosoana”. Nitohy omaly, zoma 13 Jona 2025, ny fihaonana teo amin’ny Solombavambahoaka sy ny mambran’ny Governemanta, araka ny tetiandro voafaritra. Maro tao anatin’izany ny naneho fankasitrahana ny governemanta, noho ireo ezaka voafaritra mazava tao anaty tatitra isaky ny distrika. Anisan’izany ny fotodrafitrasa maro isan-tsokajiny araka ny filàn’ny mponina avy. Hany ka maro tamin’ireo Solombavambahoaka no tsy nanan-kolazaina intsony, toy ny Depioten’i Manja. Teo koa ireo Solombavambahoaka avy ao Atsimon’ny Nosy, izay tsy dia nanan-kambara firy, manoloana ny fampandrosoana efa miainga any an-toerana ankehitriny. Anisan’izany ny tao Tsihombe sy Ambovombe, ary Ampanihy. Nisy ireo Depiote no nanitsy, fa “jamba na minia mikipy izay milaza fa tsy misy fampandrosoana eto”. Misy kosa, anefa, distrika tsy hita soritra tao anatin’izay tatitra izay, toy ny distrikan’Andilamena. Misy koa, araka izany, ireo distrika mbola mitady sy mangetaheta fampandrosoana toy ny hafa, araka ny fandraisam-pitenenan’ireo Solombavambahoaka hatrany. Anisany Andrimpanjakana manaja ny filaminana ary manosika sy manampy ny Fitondram-panjakana ny Antenimierampirenena, raha ny nambaran’ny Filohany, Tokely Justin. Nanome hatrany ity farany, fa ao an-damosin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra amin’ny famporisihana ny fampandrosoana manerana an’i Madagasikara.
Tao am-bavan’ny maro…
Maromaro ireo seha-pampandrosoana ambetin-tenin’ny Solombavambahoaka izay nandray fitenenana nitondra ny hetahetan’ireo vahoaka ao amin’ny distrikany, nandritra ny fihaonana omaly io. voatonona betsaka indrindra tao anatin’izany ny lafiny angovo, noho ny fahatapahan-jiro lavareny. Ankoatr’io dia misy ireo mila hamafisina sy hapetraka ho fanatrarana ny tanjona, dia ny lafiny rano, lalam-pirenena, fampianarana, fitsaboana, fambolena sy fiompiana, fahaleovan-tena ara-tsakafo, fiarovana sy filaminana, asa sy asam-panjakana, sns. Anisany nisongadina tao anatin’izany ohatra, ny tokony hisian’ny fampananan’asa ao Fianarantsoa ho an’ny tanora, torak’izay ny indostria. Ny ankamaroan’ny distrika dia miantso ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra, ny amin’ny hanamafisana ny fandriam-pahalemana. Taorian’ny fandraisam-pitenenan’ireo Solombavambahoaka, dia niroso tamin’ny famaliana ny fanontaniana ireo Minisitra ao anaty Governemanta.
Stan R.




