Songadim-baovao

Angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro : Trano maherin’ny 100.000 no nisitraka tao anatin’ny dimy taona

Dimy taona taorian’ny niorenany teto Madagasikara ny Baobab+, dia nipetraka ho isan’ireo mpisehatra lehibe eo amin’ny fitsinjarana ny angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay manana filàna betsaka tokoa, satria ny 15% monja ny vahoaka malagasy no mahazo herinaratra.

Nisy ny famelabelarana nanazavana momba ny angovo amin’ny heriny masoandro.

Dimy taona taorian’ny niorenany teto Madagasikara ny Baobab+, dia nipetraka ho isan’ireo mpisehatra lehibe eo amin’ny fitsinjarana ny angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay manana filàna betsaka tokoa, satria ny 15% monja ny vahoaka malagasy no mahazo herinaratra. Tao anatin’ny dimy taona nahatongavany teto Madagasikara, dia namatsy trano maherin’ny 100.000 tamin’ny angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro izy ireo. Nambaran’i Guilla Lenne Venance, Tale jeneralin’ny Baobab+ eto Madagasikara omaly, tetsy Ambodivonikely fa «  hafaliana ho azy ny nahafaha-nanatsara ny fiainan’ny tokantrano malagasy maherin’ny 100.000, tamin’ny alalan’ny famatsiana fitaovana manome herinaratra ho azy ireo ». Nasongadiny fa mitombo hatrany ny ekipa ary mahafaly azy  ny mahita ireo mpiara-miasa mazoto sy milofo hatrany isan’andro. Misy fiantraikany  lehibe amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina, izay nisitraka izany, satria mahatratra  65%-n’ny fihenan’ny fandaniana angovo isan-kerinandro. Eo koa ny fitomboan’ny fe-potoam-pianaran’ny ankizy afa-mianatra rehefa hariva. Afa-mianatra 20 minitra ka hatramin’ny adiny roa latsaka fahefany. Tsy latsa-danja ny fitomboan’ny fahatsapana filaminana sy fitonian-tsaina ho an’ny 61%-n’ny tokantrano nampiasa ny fitaovana. Ho an’ny Baobab +, ny angovo azo avy amin’ny masoandro dia manamora ny fampiasana ny « digital » any ambanivohitra. Raha 34,2% monja amin’ny vahoaka malagasy no mhazo tombony amin’ny fifandraisana, amin’ny alalan’ny finday, araka ny fanadihadiana nataon’ny « Digital 2021 Madagascar », dia lohalaharana amin’ny fampisitrahana izany ny Baobab+.

Miparitaka amina tanàn-dehibe 15

Marobe ireo tokantrano any ambanivohitra no efa misitraka ity fitaovana ity.

Tao anatin’ny dimy taona,  namolavola tambajotra mpaninjara azy manokana izy ireo, dia ny Baobab+ Madagasikara, mba hahafaha-manolotra ny tolotra Izili (Kit solaire sy finday izay azo aloa tsikelikely). Araka ny fanadihadiana, efa miparitaka amina tanàn-dehibe miisa 15 sy distrika maherin’ny 100 manerana ny Nosy toa an’Ihorombe, Betioky na koa Ifanadiana. Hatramin’ny niandohany taona 2015, ny Baobab+ dia afa-manintona ny nihazona ny fahatokisan’ny mpampiasa vola. Na teo aza ny toe-java-misy ara-pahasalamana mifandraika amin’ny covid-19,  naangona vola mitentina 10 tapitrisa euro avy amin’ny mpamatsy vola Norvejiana Norfund hanohanana ny fivoarany. Anisan’ireo nisitraka voalohany ny famatsiam-bola OMDF, izy manohana ireo mpandraharaha tsy miankina misehatra eo amin’ny fampidirana angovo maharitra eto Madagasikara.

Raha ny fanazavana,  tsy hijanona eo ny orinasa sosialy Baobab+, fa miezaka mikaroka fomba hanampiana ireo mpanjifa ao aminy. Ny vondrona Baobab, izay misehatra lehibe eo amin’ny fampindramam-bola aty Afrika. Izany indrindra no antony namolavolan’izy ireo fifanarahana hahafahan’ireo mpanjifa izili an’ny Baobab+, mba hisitraka findramam-bola miavaka. Fantatra fa io tolotra io, dia efa misy any Senegal ary ny taona 2022 dia afa-kisitraka izany ny eto Madagasikara. Tiana ny mampahatsiahy, fa firenena enina manerana an’i Afrika no misy ny Baobab+, izay orinasa sosialy manohana ny ankohonana sy ny mpandraharaha amin’ny fizakan-tenany, amin’ny alalan’ny fizarana fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Tokantrano miisa 220.000 no efa manana fitaovana, indrindra ny tontolo ambanivohitra. Ny vondrona Baobab dia manolotra fitaovana nomerika ho an’ny fanabeazana sy ho an’ny matihanina, ary efa maherin’ny 90.000 ireo nisitraka izany, izay azo aloa tsikelikely, mba hahafahan’ny maro anisa misitraka izany.

Fermer