KolontsainaSongadim-baovao
ANISHA JO ETO MADAGASIKARA : Hampahafantatra ny rakikira « Lumière » amin’ny alalan’ny fampisehoana manokana
Efa vonona tanteraka amin’ny fampisehoana lehibe izay hatao amin’ny alahady 15 desambra 2024 izao etsy amin’ny CCI Ivato amin’ny 03 ora i Anisha Jo, mpanakanto fanta-daza nandrombaka ny amboaran’ny Star Academy 2024. Ity hetsika ity dia natao hampahafantarana ny rakikira vaovao mitondra ny lohateny hoe « Lumière », izay mitondra hafatra fitiavana sy fanantenana ho an’ny mpankafy azy. Amin’ity seho ity, i Anisha Jo dia hanatanteraka hira 24 mahery, ahitana ireo hira nampiavaka azy tamin’ny fifaninanana Star Academy 2024 sy ny rakikira vaovao. Ao anatin’ireo hira ireo, hisy ny fanomezam-boninahitra an’i Whitney Houston amin’ilay hira hoe « I Wanna Dance With Somebody », hira manan-tantara izay nampiavaka azy nandritra ny fifaninanana Star Academy 2024. Miaraka aminy amin’ity seho ity ireo mpitendry zavamaneno tanora efa manana ny toerana eo amin’ny sehatra samihafa : Manitra Rabearisoa no eo amin’ny gitara, Miora Rabarisoa eo amin’ny batterie, Josoa eo amin’ny basse, Njaka sy Fy Rajaofetra eo amin’ny piano, ny tarika Quatuor & Squad hanampy amin’ny zavamaneno misy tariby, ary Miantsa sy Kaloina kosa no eo amin’ny zavamaneno tsofina.
Nohamafisin’i Anisha Jo fa na dia vao haingana aza no niarahany tamin’ireo mpitendry zavamaneno sasany ireo, dia vetivety dia nisy fifankahazoana sy fiaraha-mientana tamin’izy ireo. “Tena mahay mamoaka ireo fihetseham-po tiana aseho izy ireo, ary izany no tena mampiavaka ny mpanakanto Malagasy,” hoy izy. Efa vita tanteraka ny famerenana efatra lehibe nataon-dry zareo, ary hoy i Anisha: “Ho ahy, tsy fampisehoana fotsiny io fa fotoana hizarana fitiavana sy hafatra manoloana ireo mpankafy. Voninahitra lehibe ho ahy ny mitondra ny anaran’ny Malagasy amin’ity sehatra ity.” Nanambara ihany koa izy fa hisy hira vaovao amin’ny teny malagasy hivoaka amin’io seho io, izay natokana manokana ho an’ny firenena. Hipoitra amin’ny sehatra an-tserasera Moozik avokoa ireo hira rehetra ao amin’ny ity rakikira »Lumière »ity . Na dia eo aza ny tebiteby kely alohan’ny fotoana, dia vonona tanteraka i Anisha Jo hampiakatra ny fenitra sy hanome traikefa tsy hay hadinoina ho an’ireo rehetra hanatrika azy. Nanamarika tantara i Anisha tamin’ny fandreseny, ka izao dia fotoana iray manokana hizarany izany hafaliana izany amin’ireo nanohana azy. Ny hetsika dia entina hanomezam-boninahitra ny zava-bita lehibe vitany sy hanomezana traikefa tsy hay hadinoina ho an’ny mpankafy azy. Ho hetsika lehibe ho an’ny kolontsaina Malagasy ny fampisehoana ataon’i Anisha Jo, izay azo antoka fa hampivondrona ireo mpankafy ny zavakanto sy ireo nanaraka ny diany hatramin’ny voalohany. Ny tapakila dia efa amidy amin’ny alalan’ny sehatra an-tserasera www.ticketplace io, ary efa azo vidiana ihany koa eny amin’ny Mass’In Isoraka sy Mass’In Music Ankorondrano.
Njaratiana




