Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
ANJOZOROBE : Lehilahy 50 taona tratra nanolan-jazavavy 13 taona
Lehilahy iray 50 taona no voasambotry ny Polisin’ny « Compagnie Régionale » FIP Analamanga tao an-tranony, tao Ambodimanga Anjozorobe, ny Alakamisy 09 oktobra lasa teo, noho ny fanolanana zaza vao 13 taona monja. Raha ny zava-nitranga dia nofitahin’ity lehilahy ity sy notambazany ho any amin’ny toerana manginy ilay zazavavy hahafahany manao ny filan-dratsiny. Fantatra tamin’ny fitiliana nataon’ny mpitsabo fa simba tokoa ilay zaza rehefa re ny fitarainany ka nandray andraikitra ny fianakaviana. Efa eo am-pelatanan’ny Sampan-draharahan’ny Polisy miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny ankizy ary ny olona marefo (PMPM) ao amin’ny Kaomisaria foibe Sabotsy Namehana ny fanohizana ny fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana. Ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fitsarana moa dia tsy mitsitsy amin’ny fampiharan-dalàna, fa indrindra eo anatrehan’ny firongatry ny fanolanana tao ho ao izay. Anisan’izany ny efa fampiharana ny famosirana araka ny fanovan-dalàna famaizana momba ny fanolanana Zaza tsy ampy taona. Ny Mpitandro filaminana dia manamafy hatrany ny ady amin’ny herisetra sy fanolanana mihatra amin’ny Zaza tsy ampy taona.
Stan R.




