Songadim-baovaoSosialy
ANOSIBE-ANOSIPATRANA: Vita ary efa misokatra ny ampahan-dalana natao “Béton”
Hisokatra amin’ny fomba ofisialy anio, ny lalana mampitohy an’Anosipatrana sy Anosibe, izay namboarina nandritra ny telo volana teo. Ity ampahan-dalana natao ity dia hanalana fahasahiranana ireo mponina manodidina iny lalana iny. Tonga nijery ny fahavitan’ny lalana teny an-toerana, ny Minisitry ny Asa vaventy, Hatrefindrazana Jerry, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Minisitera. Lalana mirefy 900 metatra no nasiam-panamboarana tamin’izany. Misy ny natao « béton » teknika fanamboaran-dalana nosafidiana manokana hampiharina any amin’ireo toerana iva sy iangonan’ny rano matetika, raha mbola misy ny ampahany amin’io lalana io no atao tara, ary efa anatin’ny famaranana ny asa ny orinasa nandray an-tanana izany, ankehitriny. Misokatra manomboka anio, araka izany, ny fivezivezena amin’io ampahan-dalana io. Eo amin’ny kalitaon’ny lalana vita, dia nambaran’ny Minisitra, fa matanjaka ny lalana vita amin’ny « béton », satria mifanaraka amin’ny kalitao takiana, izay manangon-drano rehefa fotoanan’ny orana. Antony nanaovana « beton » ny lalana, dia nambaran’ny Minisitra, fa noho ny olan’ny resaka tondra-drano misy amin’ny fotoam-pahavaratra. Ny vita amin’ny « tara » dia tsy dia mateza loatra, izay fahavalon’ny rano, antony nijerena ireo toerana simba lalana iangonan’ny rano, talohan’ny fanamboarana natao.
Voahaja avokoa ny ara-teknika nanamboarana ny lalana
Tsy ny teto Antananarivo irery ihany, fa hatrany amin’ny faritra no misy fanamboarana lalana tahaka izao avokoa. Fantatra, fa mandalo toeram-pitiliana (laboratoire) ny « beton » nandrafetana ny lalana natao, anisan’izany ity lalana mampitohy an’Anosipatrana sy Anosibe ity. « Na efa vita aza, ny lalana, dia mbola misy santionany amin’ny « beton » nijerena ny hamafin’ny asa vita. Hita tamin’ireo asa tany aloha fa tsy maharitra ela, noho izay tsy fanarahana ny fenitra ara-teknika izay ». Nambarany hatrany, fa tokony tandremana mba hifanindran-dalana hatrany ny famoaham-bola sy ny kalitaon’ny asa tanterahina. Fantatra, fa ny lalana rehetra simba eto an-dRenivohitra dia noraisin’ny Minisiteran’ny Asa vaventy an-tanana avokoa, ary enim-bolana no faharetan’ny asa fanamboarana. Fantatra, fa sarotra ny fanamboaran-dalana anaty tanàna, mihoatra amin’ny fanamboaran-dalana amin’ny lalam-pirenena. Ankoatra izany, efa an-dalam-pamaranana avokoa ny fanamboarana ireo ampahan-dalana rehetra amin’ity andiany voalohany tanterahin’ny Minisitera eto Antananarivo Renivohitra ity. Nisy fitsinjarana ny asa natao tamin’izany, dia nisy ampahany ho an’ny Faritra Analamanga, dia ireo lalana tena potika tanteraka, izay tsy kojakojaina fotsiny fa nasiam-panamboarana tanteraka. Anjaran’ny Kaominina sy ny Faritra kosa, no miandraikitra ny fanapenana ireo ampahan-dalana sasany. Amin’izao fotoana, manomana sahady ny andiany faharoa amin’ny fanamboarana ireo ampahan-dalana misy fahapotehana eto Antananarivo, ny Minisitera. Anisan’izany ny etsy Ambodin’Isotry, Androndra, Mahazoarivo, Mandroseza, ary Rasalama. Misy koa ampahan-dalana hafa tsy maintsy hovitaina, izay efa anaty fanomanana ara-teknika hirosoana amin’izany, izy ireo. Nisy ny fanentanana ireo mponina manodidina sy mpampiasa lalana, mba hikajy sy hanaja ny lalana vita, izay fananana iombonana. Antony mahatonga ny fahapotehan-dalana eto dia misy roa lehibe. Eo ny tondra-drano mpanimba lalana, fa eo indrindra koa ny tsy fanaraha-maso sy fanamboarana ny kely ahitana fahapotehana sy tsy nisy fikojakojana. « Telo taona isika no tsy nikojakoja ny lalana, ary ankehitriny, raha hita ny fahasimbana dia idirana avy hatrany ny fanamboarana ».




