Songadim-baovao
ANOSIBE NAMONTANA: Mpandeha an-tongotra iray maty voahitsaky ny kamiao
Lozam-pifamoivoizana iray no nitranga tetsy Namontana Anosibe, akaikin’ny toeram-pivarotam-panafody Volahanta, omaly maraina tokony ho tamin’ny 11ora. Lehilahy iray 48taona, no nindaosin’ny fahatatesana teo noho eo, rehefa voahitsaky ny fiara lehibe iray. Nanaitra mpandalo maro ity tranga iray niseho teny an-toerana ity. Tsy nisy nanam-po ny zava-nitranga, fa lehilahy iray efa voatetin’ny kodiarana no nanaitra ny rehetra. Tsy nisy nahafantatra marina ny tena zava-nisy nahatonga ny loza, raha ny teny an-toerana, fa raha ny zava-nisy voaray teo anivon’ny mpitandro filaminana, dia voafaokan’ity kamiao ity io lehilahy io, ary nianjera ka voahitsaka teo amin’ny lohany. Nandray fepetra avy hatrany ireo mpitandro filaminana teny akaiky, ary nitondra ilay mpamilin’ny fiarabe teny anivon’ny biraon’ny Polisy, nanaovana fanadihadiana. Ny razana kosa nentina namonjy ny tranom-paty. Mateti-pitranga ny loza mahatsiravina tahaka izao, raha tsy hilaza afa-tsy amin’ny lalam-pirenena, izay hifandonan’ny fiara samy fiara, na moto. Matetika kosa, ny tsy fitandremana no mahatonga ny loza. Raha ity tranga niseho omaly ity, tsy fantatra mazava izay nisy fahadisoana, na ity lehilahy nihoatra ny fandehanan’ny mpandeha an-tongotra, na ilay fiara izay mety ho nisy tsy fahatomombanana teo amin’ny lafiny ara-teknika. Ny fanadihadiana efa mandeha amin’izao fotoana kosa, no mamaritra izay tena zava-nitranga marina.



