Songadim-baovaoSosialy

ANTANANARIVO RENIVOHITRA: Ambony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eny Ambohidahy

Nivoitra nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny Fahasalamana omaly fa mbola ambony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Ary isan’ireo tena misongadina indrindra amin’izany ny etsy Ambohidahy manodidina ny tonelina. Ny fifamezivezen’ny fiara be loatra, sy ny akon’ny doro tanety avy any amin’ny manodidina ny renivohitra no mahatonga izany, araka ny fanazavana. Trangan’aretina maro anefa no aterak’izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny aretin’ny taovam-pisefoana.

Tsy tokony hihoatra ny 25μg/m³ isan’andro ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra an-tanàn-dehibe, araka ny fetran’ny OMS. Rehefa tena miakatra anefa ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo, dia mahatratra avo efatra heny na dimy heny amin’io fetran’ny OMS io, izay maharitra andro maromaro, araka ny nambaran-dRakotomavo Zo Andrianina, Lehiben’ny Sampandraharahan’ny Fikarohana ao amin’ny Météo Madagascar. Nambarany fa efa nisy ezaka betsaka natao mahakasika ny fandrefesana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra. Teto Antananarivo no nanombohana izany, efa maherin’ny herintaona izao no manaraka tsy tapaka izany ny eo anivon’ny Météo Madagascar, izay miara-miasa amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Minisiteran’ny Tontolo iainana.  Misy toerana maromaro eto an-drenivohitra hanaovana fanarahamaso manokana. Tamin’izany no nampivoitra ireo toerana tena ahitana tahan’ny fahalotoan’ny rivotra ambony, indrindra manodidina ny toerana ivezivezen’ny fiara, tahaka ny eny Ambohidahy. Araka ny fanazavan’ny Dr  Rakotoarison Norohasina, Lehiben’ny Sampandraharaha misahana ny Fahasalamana sy ny Tontolo iainana ao amin’ny DPS eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’iny faritra Ambohidahy iny no anisan’ny mampaloto ny rivotra. Manampy trotraka ihany koa ny doro tanety manodidina an’Antananarivo izay misy fiantraikany betsaka amin’ny rivotra eto an-drenivohitra. Ny eny Ambohidahy anefa toerana iva. Mihodina eny amin’ny manodidina eny avokoa, araka izany, ireo setroka maloto isan-karazany.

Mahatonga aretina maro

Aretina ateraky ny fahalotoan’ny rivotra ny aretin’ny taovam-pisefoana, indrindra ho an’ny ankizy kely, araka ny nambaran’ny Dr  Rakotoarison Norohasina. Eo koa ny aretim-pivalanana vokatry ny fanaovana maloto ankalamanjana. Saika ny ankizy no tena lasibatra amin’ny fahalotoan’ny tontolo iainana. Ankoatra izay, misy koa ny homamiadan’ny taovam-pisefoana izay azo avy amin’ny fahalotoan’ny rivotra. Nambaran’ity tomponandraikitra ity hatrany, fa mbola ny 90%-n’ny Malagasy no mampiasa kitay sy arina fandrehitra ankehitriny, kanefa ny setrok’ireny dia miantraika min’ny ankizy sy ny lehibe mikarakara sakafo.

Raha ny fanazavana hatrany, efa nisy ny fanentanana isaky ny haino aman-jery momba ny fahalotoan’ny rivotra. Ireo mpisehatra isan-tsokajiny koa dia efa andalam-pamolavolana tondrozotra hahafahana mifehy ny fahalotoan’ny rivotra eto Madagasikara, ankehitriny.

6 000 isan-taona ny Malagasy maty

Araka ny tatitra navoakan’ny OMS, misy fahafatesana olona miisa 6 000 isan-taona azo sorohana ho an’i Madagasikara, raha toa ka miaro ny tontolo iainana isika. Samy tomponandraikitra amin’izany avokoa na ny mponina an-drenivohitra amin’ny alalan’ny fanariana fako etsy sy eroa, na ny any ambanivohitra amin’ny alalan’ny doro tanety sy ny sisa. Izany hoe, 6 000 isan-taona ny malagasy maty vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana. Tsara ho fantatra fa misy karazany telo ny fahalotoana mety mahatonga izay fahasimban’ny rivotra izay. Isan’izany ny fahalotoana biolojika, fahalotoana simika toy ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ireny famonoana biby kely sy ny sisa ireny ary farany ny fahalotoana fizika toy ny fiparitahan’ny fako plastika.

Fermer