SamihafaSongadim-baovaoSosialy

ANTANANARIVO RENIVOHITRA: Miasa manomboka ny alarobia izao ireo taksibe

Mbola mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny Hamehana ara-pahasalamana. Mbola anaty ady isika, saingy efa andalana mankany amin’ny fandresena, hoy ny Filoha omaly. Antony nanalefahana ireo fepetra maro isankarazany noraisina tato anatin’izao ady ara-pahasalamana izao. Noho izany, mba ho fitsinjovana ireo mpiasa efa miverina miasa, nanapa-kevitra ny Fanjakana fa afaka miverina miasa amin’izay ireo fiara fitateram-bahoaka manomboka ny alarobia izao…

Hentitra ny Filoha Rajoelina Andry amin’ny fampanajana ny fepetra.

“Tafiditra ao anatin’ireo antony dimy lehibe nampiparitaka ny valanaretina teto amintsika ny fitateram-bahoaka”, hoy ny Filoha Rajoelina Andry, omaly.

Noho izany indrindra no antony nampiatoana ny “taxibe” teto Antananarivo renivohitra mba tsy hanaparitaka be intsony ny aretina. Any amin’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny koa, tsy voafetra ny fifampikasohana, ary betsaka ny fifaneraserana ara-bola. Hany ka vetivety dia miparitaka ny valanaretina. Ankehitriny anefa, efa mihena ny antontanisa hita sy re isanandro amin’ny tatitry ny CCO. Ary nahafahana nanalefaka ireo fepetra samihafa. Ary indrindra koa, efa nolazaina fa afaka miverina miasa avokoa ny mpiasa rehetra amin’ny ora mahazatra. Tsy maintsy noraisina, noho izany, ny fepetra famerenana miasa ireo taksibe (Urbain, suburbain), mba hitsinjovana ireo mpiasa lasa mandeha tongotra lavitra. Ka amin’ny alarobia izao no voalazan’ny Filoha fa hiverenan’izany. “Tsy maintsy hisy fepetra hentitra nefa miaraka amin’izany famerenana ny fiara fitateram-bahoaka izany”, hoy ny Filoha.  Isan’izany ny tsy maintsy hamendrahana ranom-panafody ireo fiara rehetra isanandro. Tsy maintsy mampiasa “Gel désinfectant” koa ny taksibe rehetra. Ny mpamily sy ny resevera dia tsy maintsy manao arotava sy mitondra “Visière” mba hisorohana ny mety hiparitahan’ny aretina. Ary mbola tsy azo hametrahana olona eo amin’ny seza afovoany. Anisany notsindrian’ny Filoha fa tsy misy fiovany ny saran-dalana rehetra.

“Haato amin’ny asany izay rehetra tsy manaraka ireo fepetra ireo”, hoy ny Filoha.

Tsara ho fantatra fa amin’ny 8ora alina no afaka miasa farany ireo taksibe.

Hisokatra ny zotra Tana-Toamasina

Ankoatra ny lafiny fitaterana, isany nahitana fanalefahana fepetra koa ny sehatra hafa rehetra, ho an’Antananarivo Renivohitra,  Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo ary Moramanga. Voalazan’ny Filoha fa afaka misokatra manomboka amin’ny 06ora maraina hatramin’ny 06ora hariva ny tsenam-pokontany. Miverina amin’ny ora mahazatra ny rehetra, ary mahazo miasa ny orinasa tsy miankina fa mampihatra ny fepetra ara-pahasalamana rehetra. Misokatra ny toeram-pisakafoana fa manaja fepetra ary tsy mihoatra ny 50 ny olona ao anatiny. Tsy mbola miasa kosa ireo olona marefo ara-pahasalamana. Mbola misy koa ny ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, manomboka amin’ny 10ora hatramin’ny 04ra maraina. Ny fiarakaretsaka koa dia afaka miasa, saingy tsy mahazo mitondra olona mihoatra ny telo. Ankoatra izay, afaka mifamezivezy amin’ny fotoana ny rehetra ny mpitatitra entana. Ny môtô sy bisikleta koa dia afaka mitondra olona iray hafa, raha voamarina fa fianakaviana. Etsy ankilany, afaka mivoaka sy ny miditra an’Antananarivo ny razana, raha voamarina fa tsy matin’ny Covid-19. “Mbola mikatona ny taxi-brousse na mivoaka na miditra an’Antananarivo”, hoy ny Filoha. Na izany aza, ho an’ny zotra Toamasina-Antananarivo manokana, manomboka amin’ny alarobia izao no hisokatra ny “taxi-brousse”. Misy fepetra manokana kosa anefa izany, toy ny fampiasana manifold, gel disinfectant, ary manao arotava.

Fanadinana Cepe: Tsy hitovy ny laza adina isam-paritra

Isany vaovao lehibe nambaran’ny Filoham-pirenena omaly ny mahakasika ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana eto amintsika. Voalaza fa tsy nitovy avokoa ny fahavitan’ny fandaharam-pianarana teto Madagasikara, isaky ny faritra tsirairay avy. Araka izany, mba hampitovy ny “vintana” hisy eo amin’ny mpiadina tsirairay dia samy manana ny laza adiny avy ny faritra tsirairay. Mazava ho azy fa miankina amin’izay fandaharam-pianarana vita no hanomanana ny laza adina. Manomboka ny 01 septambra ka hatramin’ny 15 Septambra izao no hanatanterahana izany. Efa nisy ny lamina avy amin’ny Fanjakana, ka ny 01 Septambra izao no hatao ny fanadinana ho an’Atsiranana sy Antananarivo. Ny 08 Septambra kosa ny an’i Mahajanga sy Fianarantsoa. Ary ny 15 Septambra ny an’i Toamasina sy Toliara.

Tags
Fermer