SamihafaSongadim-baovaoSosialy

ANTANANARIVO RENIVOHITRA: Naverina amin’ny Kaominina ny fitantanana ny fako

Nesorina teo anivon’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana ny SAMVA ary natolotra ny CUA ka nosoloina ny rafitra vaovao antsoina hoe “Société Municipale d’Assainissement”. Ity farany indray, araka ny fanapahan-kevitra nandritra ny Filankevitry ny Governemanta farany teo, no hisahana ny fitantanana ny fako eto andrenivohitra.

Tapaka nandritra ny Filankevitry ny Governemanta farany teo fa hovain-drafitra ny fomba hitantanana ny fako eto andrenivohitra. Tamin’izany indrindra no nanapahana fa hesorina amin’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, ny rafitra SAMVA na ny “Service Autonome de la Maintenance de la Ville d’Antananarivo” teo aloha, mpikirakira ny fako sy miantoka ny fanadiovana eto anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Manoloana io fanapahan-kevitry ny Fanjakana foibe io dia natolotra ny mpitantana ny renivohitra ny rafitra SAMVA ary nosoloina ho rafitra vaovao antsoina hoe “Société Municipale d’Assainissement”, araka izay efa nampanatenain’ny Fitondram-panjakana foibe amin’ny famerenana tanteraka amin’ny CUA ny fitantanana ny fako sy ny Fanadiovana eto Antananarivo Renivohitra.

Tsiahivina hatrany fa anisan’ireo veliranon’Iarivo sy ao anatin’ny programanasan’ny ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina ihany koa ny resaka Fanadiovana sy Fidiovana ary ny fikajiana ny fako eto amin’ny Renivohitra, izay efa nilazan’ity farany fa andraikitry ny CUA tanteraka. Izany rehetra izany dia fenitra tokony hananan’ireo Kaominina rehetra manerana an’i Madagasikara, raha ny fanazavana. Eo anatrehan’izao fanapahan-kevitra goavana izao anefa dia nampanantena ny tomponandraikitra fa tsy hisy ny fandroahana ny mpiasan’ny SAMVA teo aloha fa ny hanatsarana ny fomba fiasa no atao.

Asa mila ezaka lehibe

Manodidina ny 1.000 taonina isan’andro ny fako vokarin’Antananarivo, amin’ny andavanandro. Mitombo izany rehefa fotoam-pahavaratra, amin’ny fotoana hiakaran’ny letisia sy ny manga. Miakatra hatrany amin’ny 1300 taonina isan’andro io fako io, araka ny fanazavan’ny sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana, Fidiovana, Randriatsiferana Simon. Nambarany fa raha mandeha tsara daholo ny fitaovana eo am-pelatanan’ny SAMVA, dia mahatafavoaka fako eo amin’ny 300 hatramin’ny 400 taonina eo ireo fiara mpitatitra. Izany hoe, tsy maintsy misy fako miandrona manodidina ny 700 taonina isan’andro eo ho eo izany erak’Antananarivo. Midika izany, fa raha misy olana kely fotsiny ny Samva dia efa misy fiantraikany amin’ny fakana ny fako eny ifotony. Antenaina fa hiova tanteraka kosa anefa izany fomba fiasa izany manoloana izao fanovana rafitra izao. Etsy ankilany, efa nanolotra fitaovana lehibe ihany koa ny fiadidiana ny Faritra Analamanga hanamafy ny fandraofana fako eto Antananarivo. Efa nanomboka afak’omaly asa, ary amin’ny alina no hanatanterahana izany,  araka ny fanazavan’ny Kaominina.

Sata (mpianatra asa)

Fermer