Songadim-baovaoSosialy
ANTANANARIVO RENIVOHITRA : Tokantrano miisa 52 100 hisitraka 50 000Ar isam-bolana mandritra ny enim-bolana
Ankohonana Miarina. Io no anaran’ity tetikasa vaovao ity izay natao indrindra hanohanana ireo tokatrano tena marefo ao anatin’izao krizy ara-pahasalamana izao. Ho an’Antananarivo Renivohitra manokana, miisa 52 100 ireo tokatrano hisitraka izany, izay mitsinjara amin’ireo boriboritany miisa enina eto Antananarivo. Omaly no natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny fizarana izany, tetsy Antsonjombe, boriborintany fahadimy.
“Mikarama manasa lamba ny asako. Miankina amin’ny lamba sasana no habetsaky ny vola azo, fa matetika manodidina ny telo arivo na efatra arivo eo ho eo hatrany izany. Izany hoe, tsy ampy hiatrehana ny tontolo andro mihitsy ny vola azo amin’ny sasa-lamba, amin’ny atoandro efa zara raha mihinana, amin’ny alina no mba misakafo ara-dalàna”, hoy Ravaonoro, mponina ao amin’ny boriborintany fahadimy, anisan’ireo nisitraka voalohany ny fanampiana ara-bola ao anatin’ny tetikasa Ankohonana Miarina, izay natomboka tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe, omaly. Tsy izy ihany fa betsaka ireo tokatrano misedra fahasahirana amin’izao krizy nateraky ny Coronavirus izao. Noho izany indrindra no nahatonga ny Fitondram-panjakana, niaraka amin’ny mpiara-miombona antoka, niara-nisalahy tamin’ny fametrahana indray ny tetikasa fanohanana ny ara-tsosialin’ny mponina, “Ankohonana Miarina”.
Tsy maintsy toerana malalaka
Araka ny fanazavan’ny talen’ny tetikasa Ankohonana Miarina, Vero Raboanary, olona miisa 52 100 no hisitraka ny tetikasa eto Antananarivo Renivohitra, mitsinjara amin’ny boriborintany enina. Isany mason-tsivana namaritana ireo mpisitraka ny fijerena ifotony ny ao an-tokatrano, ny fari-piainany, ny fananany jiro sy rano, ny isan’ny efitrano hipetrahany, sy ny sisa. Mason-tsivana izay nohamarinin’ny Solombavambahoakan’ny Boriborintany fahadimy, ary nanambarany fa ireo tena sahirana teny anivon’ny fokontany tokoa ireo voasivan’ny FID. “Ireo olona ireo koa mifankafantatra daholo ka tsy azo anaovana antsirambina amin’izay tokony hisitraka na tsy tokony hisitraka”, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity”.
Tsy maintsy misy ny fiarahamiasa amin’ny Faritra Analamanga sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny famaritana ny toerana hanaovana ny fizarana isaky ny boriborintany, izay tsy maintsy toerana malalaka, hoy ny fanazavan’ny Talen’ny tetikasa. Tanjona ny hahafahana manaja tsara ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra. Efa nozaraina “tickets” ny isan-tokatrano, ary nasiana ora, ka isaky ny adin’ny iray no fitsinjarana ny fanampiana mba tsy hijanona ela ny olona eo am-pizarana. Ho an’ny tetsy amin’ny Boriborintany fahadimy manokana, manodidina ny 11000 isa eo ho eo ireo hisitraka ny fanampiana, ary natao 80 isaky ny andiany ireo mpisitraka, fokontany roa no nanombohana azy izay misy tokantrano teo amin’ny 500 eo ho eo, hoy hatrany ny fanazavana.
Zaraina amin’ny fomba isan-karazany
Tsara ho fantatra fa Antananarivo sy Toamasina ary Fianarantsoa ihany no misitraka ny tetikasa Ankohonana Miarina. Ho an’ny Faritra hafa dia efa misy ihany koa ny tetikasa Ankohonana Miatrika, Vonjy Aina sy ny Asa tanamaro. Ny Banky iraisampirenena no mamatsy ara-bola ity fandaharanasa ity, ka mahatratra 45 tapitrisa Dolara no hantonton’izy ireo amin’izany. Misy karazany ireo fomba hizarana ny vola, misy amin’ny alalan’ny Mobile Money, misy eny anivon’ny OTIV ho an’izay tokantrano izay manana karapanondro tamin’ny fotoana nanaovana ny fidinana ifotony, hoy ny avy ao amin’ny FID.
Nanatrika ny fanombohana ny fizarana tetsy Antsonjombe ny Governoran’Analamanga, Hery Rasoamaromaka. Nambarany fa zava-dehibe ny fifanomezan-tanana tahaka izao noho ny fotoan-tsarotra lalovan’ny Firenena. Mampiavaka ny tohana tamin’ity taona ity ny hahafahan’ny olona mandrindra ny fanampiana azony, izay tsinjaraina 50 000Ar isam-bolana ao anatin’ny enim-bolana. Azo tsapain-tanana ny ezaka ataon’ny Fanjakana hitsinjovana ny vahoaka sahirana ka tokony hahay hifanome tanana amin’izany ny tomponandraikitra isan’ambaratongany rehetra, hoy ny Governoran’Analamanga.




