
PolitikaSongadim-baovao
ANTANANARIVO RENIVOHITRA: Voatendry ho PDS vaovao i Alexandre Georget
Taorian’ny fahabangan-toerana teo anivon’ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo noho ny firotsahan-kofidian’ny PDS teo aloha Harilala Ramanantsoa amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna eto Antananarivo, dia fantatra fa notendrena isahana izany andraikitra maha Filohan’ny Delegasiona manokana izany indray andriamatoa Alexandre Georget. Ity farany izay Minisitry ny tontolo iainana teo aloha. Filoha nasionalin’ny antoko maitso izy ary mpikambana eo anivon’ny ARMADA, izay ivondronan’ireo Antoko Politika maromaro manohana ny Filoha Rajoelina.
Anisany mpanohana sy tsy nivadika tamin’ny Filoha Andry Rajoelina mihitsy i Georget Alexandre izao voatendry ho PDS-n’Antananarivo izao.
Tsy manana fotoana lavabe isahanana izany andrakitra izany anefa ny tenany, raha ny tetiandro no jerena, satria azo heverina ny andraisan’ny Ben’ny tanàna vaovao voafidy eo, ny andraikitra amin’ny Janoary amin’ny taona ho avy. Izany hoe, volana vitsy ihany no ananan’i Alexandre Georget.




