Songadim-baovaoSosialy

ANTANANARIVO SY NY MANODIDINA: Miverina indray ny olan’ny fahatapahan-jiro

Mbola mitoetra ho lohalaharana amin’ny olana mampikaikaika ny vahoaka aloha hatreto ny resaka fahatapahan-jiro. Niha nahery vaika indray izany tato anatin’ny andro vitsy. Omaly, toerana maro no nahitana fihetsiketsehana nataon’ny mponina naneho fahatezerana noho ny fahatapahan-jiro. Tranga izay ilàna fandraisana andraikitra maika sy aingana.

Raha mbola misy sehatra manaratsy endrika ny Fitondrana Rajoelina hatreto dia ny tontolon’ny angovo. Ekena, ary tsy azo lavina fa manana vahaolana maro aroso ny Fitondram-panjakana, araka ireny efa naverimberin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ombieny ombieny ireny. Fa aiza ho aiza tokoa ny fanatanterahana azy ireny? Inona no sakana tsy hahafahan’ny tomponandraikitra voakasika manafaingana ny fanaovana ireny tetikasa ireny?  Raha tsy hilaza afatsy ilay tetikasa fametrahana toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro eny amin’ny Lalan’Ivato, izay hamokatra 20MW ho an’Antananarivo. Hatreto mantsy ny antony fahatapahana ambaran’ny Jirama, ankoatra izay olana teknika hafa, dia ny fihenan’ny rano ao Andekaleka ka mahatonga ny famokarana tsy ampy ho an’Antananarivo. Tsara ho fantatra mantsy fa ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rano ao Andekaleka no tena fototry ny famokarana herinaratra eto Antananarivo. Io famokarana io dia miankina amin’ny haavon’ny rano. Noho izany, voatery mampihatra ny fahatapahan-jiro mifandimby ny Orinasa JIRAMA mba hampifanaraka ny famokarana misy.

Ho an’ny andron’ny omaly dia toerana maro teto an-drenivohitra no nahitana fihetsiketsehana nataon’ny mponina naneho fahasorenana noho ny fahatapahan-jiro. Tafiditra ao anatin’izany ny nitranga teny Andraharo, Tanjombato sy ny sisa. Tranga tsy azo amaivanina ny tahaka ireny, ary raha tsy misy fandraisana andraikitra hentitra sy aingana dia mety ho soavalian’ny mpanao politika mora foana, satria filàna fototry ny vahoaka no voatohintohina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer