PolitikaSongadim-baovao
ANTANANDAVA TOAMASINA: Vary simba 03 kaontenera sarona, mandeha ny famotorana
Ny raharaha vary simba tao Mahajanga tsy mbola tapitra, ny ao Toamasina miantso fampiharan-dalàna sahady. Raha mbola tsy mikatona hatreto ny ferin’ny fikasana hamono vahoaka tamin’ilay famoahana sy fandiovana vary simba tamina kaontenera am-polony tao amin’ny seranan-tsambo Mahajanga, dia io fa nahatrarana 03 kaontenera ihany koa tao Toamasina…
Ny mamba tsy lasa ny voay misosoka ihany! Nahatrarana vary simba ihany koa tao Toamasina, omaly antoandro, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny Zandarimariam-pirenena ao amin’ny Tobim-paritra Toamasina. Trano fitehirizan’ny magazay iray ao Antanandava no nahatrarana ireo vary 03 kaontenera na 1100 gony. Fantatra, fa avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo vary ireo no navoaka sy nokasaina hodiovina toy ny tao Mahajanga ihany koa, araka ny loharanom-baovao azon’ny Zandarimariam-pirenena. Vokatr’ireo angom-baovao voarain’ny Zandarimariam-pirenena tao an-toerana anefa, dia maty momoka teo io fikasana mamohehitra hamono vahoaka io, ary teratany Karàna miisa telo no efa voasambotra sy voarohirohy, hatreto. Nogiazana avokoa ireo vary simba, ary efa mizotra haingana ny fanadihadiana mikasika ity raharaha vary simba ao Toamasina ity. Hatramin’ny omaly, dia mitohy ny fanadihadiana ireo teratany Karàna, ary ny fanadihadiana hamantarana izay olona hafa ao ambadik’ity raharaha ity. Fantatra, fa efa nisy vary 01 kaontenera efa voadio raha mikasika ity tao Toamasina ity, ary teo am-panohizana izany no izao tra-tehaky ny Mpitandro filaminana izao. Aorian’ny fanadihadiana dia hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ny raharaha, raha ny fampitam-baovao voaray. Andrasana ny fivoaran’ity raharaha vary simba ao Toamasina ity.
Vary simba ao Mahajanga, diso ny vaovao miely…
Raha ny mikasika ny fahatrarana vary simba tao Mahajanga, indray, dia fantatra, fa vaovao diso ny iniana ahely any anaty tambajotran-tserasera mikasika ny fisamborana olom-boafidy tao an-toerana. Raha ny fantatra mantsy, dia nantsoina nohenoina fotsiny ihany ireo Solombavambahoaka voatonona tao anatin’ity raharaha ity, fa tsy nosamborina sy nogadraina, araka ny ambaran’ny sasany akory, izany hoe nohenoina amin’ny maha vavolombelona azy. Anisany voakasik’izany ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Solombavambahoaka voafidy tao Mahajanga I. Teo koa ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Soalala. Namafisin’ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena Antananarivo, Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriborintany fahadimy, Raholdina Naivo, fa diso avokoa ny filazana anaty tambajotran-tserasera milaza fa “olo-meloka izy ireo satria voarohirohy tamina resaka vary simba dia nosamborina”. Vavolombelona fotsiny ihany izy ireo, raha ny fanampim-panazavany, ary raha anisany nangataka ny famoahana ireo vary ireto olom-boafidy, dia tsy nahafantatra intsony ny lalan’ireo vary sy ny niafaran’izany. Nanamafy koa ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena avy amin’ny kaomandin’ny sampana fikarohana heloka bevava Fiadanana, fa tsy nisambotra ny Solombavambahoaka voafidy tao Soalala izy ireo, fa nampandre ity farany hijoro vavolombelona eny amin’ny PAC fotsiny ihany, omaly alatsinainy. Ny Prefen’i Mahajanga sy ny Talem-paritry ny varotra ao an-toerana kosa, no voampanga ho nanao fanararaotam-pahefana tao anatin’izany, ary naiditra am-ponja vonjimaika niaraka tamin’ireo olona miisa fito tany aloha, raha tsiahivina.
Stan R.




