PolitikaSongadim-baovao

ANTENIMIERAM-PIRENENA : Tsy miombon-kevitra amin-dRazanamahasoa Christine ny maro an’isa

Nahitsy ireo Solombavambahoaka maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly raha nilaza fa fanakorontanana saim-bahoaka sy ny fiainam-pirenena ny fivoizana fanehoan-kevitra mirona mankany amin’ny fiaraha-mitantana sy tetezamita, toy ny kabarin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena,  nandritra ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena, ny talata teo.

Nanambara ireo Solombavambahoaka maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ahitana ireo avy amin’ny Vondrona parlemanta IRD, sy ireo tsy miankina omaly, fa manameloka sy mitsipaka tanteraka ny lahateny izay nataon’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa, ny 17 oktobra 2023 teo. Nomarihin’ireto Solombavambahoaka ireto tamin’ny fanambarany omaly fa tsy nifampierana na nifampiresahana ny zavatra nambaran-dRamatoa Razanamahasoa Christine. Araka izany, iny fanehoan-keviny iny dia tsy maneho velively ny hevitry ny Solombavambahoaka maro an’isa, ary indrindra, ny hevitry ny Antenimieram-pirenena. Nohamafisin’izy ireo, araka izany, fa hevitr’olon-tokana iny lahateny iny.

Fanakorontanana saim-bahoaka, sy ny fiainam-pirenena no tiana hovolena ary fikasana hizotra mankany amin’ny fiarahamitantana sy tetezamita indray no ambadik’izany rehetra izany. Misy mihitsy aza ireo efa maneho hevitra ny tokony hananganana governemanta ahitana ny solontenan’ireo kandidà miisa 11.  Mikasa ny hanajanona ny fifidianana, sy handravana andrimpanjakana, izay mitsangana araka ny lalàna ny olona sasany. Izany dia midika tsy fanajana ny lalàmpanorenana sy ny Lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena ary koa fanitsakitsahana ny zon’ny vahoaka malagasy maro an’isa hifidy izay tiany hitondra ny firenena sy omeny ny fahefana. Nahitsy ireto solombavambahoaka maro an’isa ireto omaly raha nilaza fa mibaribary ny fitiavan-tena, fitiavan-tseza, kajikajy politika, ary fijerena tombontsoan’olom-bitsy ho an’ireo izay misakana ny zotram-pifidianana ankehitriny. Nohamafisin’ireo Solombavambahoaka omaly koa fa amin’ny maha mpanao lalàna azy ireo dia tsy maintsy mifototra amin’ny lalàmpanorenana, sy ny lalàna velona.

Tsiahivina fa Ramatoa Razanamahasoa Christine dia lany Solombavambahoaka tamin’ny Antoko IRD, ary mbola ny Solombavambahoaka maro an’isa eo anivon’ny IRD koa nametraka azy teo amin’ny toeran’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena azy. « Misy lalàna sy fitsipika mifehy ny fifandraisan’ny Solombavambahoaka amin’ny Antoko nahalany azy », hoy ny fanambarana, « ary tsy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny mihitsy no ampahatsiahivina an’izany ». Noho izany, notsindrian’ireo Solombavambahoaka nanao fanambarana omaly ireto fa ny vahoaka ihany no tompon’ny fahefana, ary izy irery ihany no tokony handidy sy haneho ny safidy amin’ny alalan’ny fifidianana. Araka ny andininy faha-5 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia ny vahoaka izay ipoiran’ny fahefana rehetra no masi-mandidy. Manameloka ny hetsika rehetra hanakatsakanana ny fifidianana, noho izany, ireto olom-boafidy ireto. Miantso ny hanajana ireo tetiandro efa napetraka ireo solombavambahoaka maro an’isa ao anatin’ny zotram-pifidianana.  

Fermer