PolitikaSongadim-baovao
ANTENIMIERANDOHOLONA : Lany ho Filoha vaovao ny Jeneraly Ravalomanana Richard
Niditra tamin’ny andro faharoan’ny fivoriana tsy ara-potoana niantsoan’ny governemanta azy ny Antenimierandoholona, omaly zoma 13 oktobra 2023. Nivoitra nandritra izany ny fifidianana izay ho Filohan’ity Andrimpanjakana ity, taorian’ny nanesorana ny Filoha teo aloha, tamin’ny andro voalohany. Voafidin’ireo Loholona maro an’isa ho Filoha tamin’izany, ny Loholona Jeneraly Ravalomanana Richard…
Niroso tamin’ny lahadinika avy hatrany ny fivorian’ny Antenimierandoholona, tamin’io andro faharoan’ny fivoriana tsy ara-potoana niantsoan’ny governemanta azy io, omaly zoma maraina, tokony ho tamin’ny 10 sy sasany mahery. Lahadinika izay nisian’ny fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolam-pandaharam-potoana, ary ny fifidianana Filohan’ny Antenimierandoholona, sy ny famaranana ity fivoriana tsy ara-potoana niantsoana azy ireo ity. Nolanian’ireo Loholona tamin’izany io volavolam-pandaharam-potoana io, ary nirosoana ny fifidianana izay ho Filohan’ity Andrimpanjakana, taorian’izay. Miisa 16 ireo Loholona tonga niatrika ny fotoam-pivoriana, saingy nivoaka ny efitrano ny iray tamin’izy ireo, rehefa tsy nankasitraka ity volavolam-pandaharam-potoana ity, dia ny Loholona avy amin’ny MMM. Ity farany, izay nanizingizina hatrany, fa tsy ara-dalàna io fivoriana tsy ara-potoana io, ary nangataka hivoaka ny efitrano fivoriana talohan’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Miisa 15 izany sisa ireo Loholona tao an’efitrano fivoriana, raha niala tsiny ny roa tamin’izy ireo, izay manome 18 isa. Tsy nisy afa-tsy ny Loholona Jeneraly Ravalomanana samirery ny kandidà natolotr’izy ireo tamin’izany. Nirosoana araka izany ny latsa-bato nifidianana izay ho Filohan’ny Antenimierandoholona. Miisa 15 ny mpandatsa-bato sy ny vato manan-kery. Tsy nisy ny vato maty na vato fotsy, ary dia samy nandany ny Loholona Jeneraly Ravalomanana Richard, avokoa, ireo Loholona maro an’isa.
“Tsy misy afa-tsy ny zotram-pifidianana, tsy hiamboho adidy aho”
Taorian’ny nahalaniany ho Filohan’ny Antenimierandoholona iny, dia naneho hevitra avy hatrany ny Jeneraly Ravalomanana Richard, nilaza fa tsy misy afa-tsy ny fifidianana ihany, fa ny ankoatra izay tsy mitombina. Namafisiny araka izany, fa “aleo handeha ny fifidianana tsy misy korontana na ady seza fa izay lany eo dia lany, ary anaty filaminana sy fandriam-pahalemana indray hiatrehana fampandrosoana”. Nambarany, fa amin’ny maha vitsy an’isa ny Loholona, 18, dia tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana ihany. Nilaza tsy hanapa-kevitra samirery ny tenany amin’ny maha Filoha azy. Nambarany ihany koa, fa tsy hiady voninahitra ny tenany eo amin’ny toeran’ny Filoham-pirenena, na koa hitady tombontsoa ho an’ny tenany manokana eo amin’ity toeran’ny Filohan’ny Sénat ity, fa tsy hiamboho adidy ho an’ny tanindrazana kosa, izy, manoloana ny mety ho fiovan-draharaha. Araka izany, ny fiatrehana ny fifidianana no maika indrindra amin’izao fotoana, hoy ny Filohan’ny Sénat. Nankasitraka ny fitokisana napetrak’ireo Loholona taminy, ny Filoha vaovao ity, ary namariparitra izay ezaka sy kinasa hotanterahiny amin’izao maha Filohan’ny Antenimierandoholona azy izao. Anisan’izany, nambarany fa tsy hitady tombontsoa fa hametraka ny tena fitiavan-tanindrazana, ary hijery izay hahasoa ny tanindrazana sy ny taranaka faramandimby. Tsy hiloa-bava resaka foko na fiaviana mandrakizay ny tenany, satria ny Antenimierandoholona dia lapan’ny fahendrena. Hiezaka hanana izany ny tenany, mihoatra ireo Loholona namany. Nanome toky hanazava ny fitantanana ataony izy, tsy toy izay resaka nandeha tamin’ny andron’ny Filoha tao aloha. Hisy hatrany fifampiresahana hifanaovany amin’ireo Loholona sy mpiasan’ny Sénat, ary hijery azy ireo manokana ny Jeneraly Ravalomanana, manoloana ireo fitarainana maro nisiana fitokonana teo aloha. Niantso azy ireo hanana fahatsapan-tena anefa, ny Filohan’ny Sénat, manoloana izay zava-misy. Tsy ekeny kosa, ny mpiasa manompo olona fa tsy miasa ho an’ny fanjakana. Taorian’ny fifidianana dia niato ora iray mahery ny fivoriana. Nitohy izany taorian’izay, ary ny Filoha vaovao no nitarika ny fotoana, izay namarana ity fivoriana tsy ara-potoana teo ity. Efa tafiditra tao amin’ny birao fiasany ihany koa ny Filoha vaovao, omaly, taorian’ny fombafomba araka ny lalàna notanterahina. Tsy marina kosa ny filazana sy vaovao nahely fa nanao amboletra nanala ny entan’ny Filohan’ny Sénat teo aloha ireo Loholona.
Stanislas R.



