PolitikaSongadim-baovao
ANTENIMIERANDOHOLONA: Mangoron-damba Rakotovao Rivo sy ny ekipany
Ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana Loholona farany teo no ho atolotra etsy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana anio. Araka izany, anio ihany koa no hangoron-damba tanteraka ireo Loholona am-perinasa ankehitriny, tarihan-dRakotovao Rivo sy ny ekipany.Tapitra hatreo noho izany ny ho avy politikan’ity mpitarika ny HVM ity. Kely tokoa mantsy ny herijika ananany sy ny antoko misy azy hahatafaverina eo amin’ny Fitondrana, raha ny zava-nisy rehetra nisy nandritra ny fitantanan’izy ireo ny firenena no asian-teny.
15 andro no nananan’ny teo anivon’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana, taorian’ny namoahan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) ny vokatra vonjimaika, hikirakirana ireo antontan-taratasy rehetra mikaritra ny voka-pifidianana Loholona izay natao teto amintsika, ny 11 Desambra lasa teo. Tapitra anio io 15 andro io. Noho izany, mitodika eny Ambohidahy ny mason’ny rehetra hahafantarana ireo Loholona 12 vaovao indray, anisan’ireo handrafitra ny Antenimierandoholona manomboka izao. Anarana 12, araka izany, no ho avoakan’ny HCC anio, izy ireo izay voafidy avy tamin’ny faritany enina eto Madagasikara. Afaka 22 andro kosa no hahafantarana ireo enina ambiny vao ho tendren’ny Filoham-pirenena, hameno ireo 18 handrafitra ny Antenimierandoholona.
Tapitra anio, noho izany, ny hazakazaka ho an’I Rivo Rakotovao raha ny tontolo politika amin’ny ankapobeny no asian-teny. Ity tomponandraikitra ity izay anisany nanamarika ny Fitondrana teo aloha, notarihin-dRajaonarimampianina Hery. Raha ny teo amin’ny tantaran’ny Antenimierandoholona manokana, fotoana tsy hay adinoina ny niseho ny oktobra 2017 izay nanaovan’ingahy Rivo Rakotovao sy ny HVM amboletra teo anivon’ity andrimpanjakana ity, ary niafara tamin’ny fanesorana ny Filohan’ny Antenimierandoholona tamin’izany fotoana teo amin’ny toerany mihitsy, mba hahafahana mahazo ny seza. Raha tsiahivina dia efa naneho ny fanehoan-keviny mahakasika ireny zavatra nitranga ireny Rakotomanana Honoré izay voakasika nivantana. Nambarany fa “tamin’ny Oktobra 2017 no amboletra lehibe indrindra voalohany niseho teto Madagasikara. Amboletra izay saika nihatra aman’aina mihitsy”, hoy izy. Ampahany tamin’ny karazana kajikajy politika sy hevi-petsy nataon’ny HVM ihany anefa io fa maro no niseho tao amin’ity andrimpanjakana ity nandritra ny fe-potoana niasan’izy ireo tao.
Ho tafaverina amin’ny fitantanana…?
Eo anatrehan’ireo famakafakana rehetra ireo, miampy ny fitantanana tamin’ny ankapobeny nisy tamin’ny Fitondrana HVM, sarotra ho an’I Rivo Rakotovao ny ho tafaverina indray eo amin’ny fitantanana ny firenena. Antony hilazana fa tapitra anio ny ho avy politikan’ity mpitarika antoko ity. Kely ny herijika ho azy sy ny HVM amin’ny taona 2023. Ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny koa anefa etsy ankilany tsy mikely soroka amin’ireo asa fampandrosoana marolafy eto anivon’ny Firenena. Noho izany, fotoan-dehibe hanamarika ny fiainam-pirenena ity andro anio ity. Na inona na inona voka-pifidianana ho avoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana anio, ny azo antoka dia rivo-baovao no hitsoaka eny amin’ny Antenimierandoholona manomboka anio. Raha ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni rahateo koa, nitarika tamin’ny faritany enina ireo Loholona miara-dalana amin’ny Fanjakana. Antenaina ny tsy hisian’ny fiovana goavana ny amin’izany. Saingy, ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana ihany no tompon’ny teny farany amin’ny vokatra ofisialy ka samy miandry isika!




