PolitikaSongadim-baovao

ANTENIMIERANDOHOLONA : Namaky bantsilana ny fisiana fanodinkodinam-bola ny Jly Ravalomanana

Niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera ara-tsosialy ny fisiana fanodinkodinam-bola teo anivon’ny Antenimierandoholona. Namaky bantsilana io raharaha io, ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard omaly, tetsy amin’ny Lapa Maitso Anosy. Tena nisy io, saingy nihitsoka ny fanadihadiana noho ny fanesorana ny Talen’ny Polisy misahana ny fanadihadiana teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, raha ny fanazavany…

Mahakasika fanodinkodinam-bola niseho teo anivon’ny Antenimierandoholona, dia namaky bantsilana momba io ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly. « Raha ny tokony ho izy, mbola tsiambaratelo ny momba azy io. Mbola tokony hisy ny « présomption d’innocence », saingy efa nivoaka tany amin’ny tambazotran-tserasera ara-tsosialy, ny momba io tranga io. Tena misy io fanodinkodinam-bola io. Izaho no nampita ireo misahana ny fanadihadiana tao amin’ny   Toby Richard Ratsimandrava, mangataka ny hanaovana famotorana », hoy izy. Mahalala izany avokoa ireo minisitra voakasika, ny Praiminisitra hatramin’ny Filohan’ny Repoblika. Mila fanampian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny fanaovana ny fanadihadiana, satria izy ireo no namoaka ilay vola, hoy hatrany ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierandoholona.

Ny olana tamin’ny famotorana, ny Kolonely Tahina, izay Talen’ny Polisy misahana ny fanadihadiana no niandraikitra io raharaha io, nefa izy nesorina, dia nihitsoka ilay raharaha.  Tena misy fanadihadiana io, izaho izao, hoy izy, no nampandre ny minisitry ny Fitsarana, tamin’ny taratasy nanombohana ny fanadihadiana. Nahitsy ny Jly Ravalomanana Richard filohan’ny Antenimierandoholona nilaza fa «  tsy azo ekena ny resaka fanodinkodinam-bola na aiza na aiza. Ny Filohan’ny Repoblika, ny Praiminisitra, ny minisitra, efa miezaka miady daholo momba izany. Izany no isian’ireny resaka fitarainana na « doléance » sy ny sisa ireny, ny ady amin’ny kolikoly, ka ao amin’ny Antenimierandoholona indray ve no hisy anao an’izany? ».

Mpiasa tsy nandray ny zony…

Naneho ny alahelony izy, fa nisy fotoana tsy nahazo ny tokony ho zony intsony ny Tale sy ny lehiben’ny sampandraharaha, tsy nahazo solika… Nisy fotoana aza, nisy nivory tany ambadimbadika tany, dia hoe, omena ny Flohan’ny Antenimierandoholona hanaovana iraka any ivelany no mahatonga ireo mpiasa tsy mandray ny zony.  Diso tanteraka izany. « Izaho raha mandeha dia ny olona manasa ahy no miantoka, hatrany Angleterre, Chine, Maroc. Lasa alaina baraka amin’ny mpiasa aho. Avereno izay nalaina, hahafahana mandoa ireo zon’ny mpiasa. Ny Antenimierandoholona no mitory », hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona hentitra. Araka izany, misy ny fanadihadiana momba io resaka fanodinkodinam-bola tao amin’ny Antenimierandoholona io, saingy nilona noho ny fanesorana ny Tale misahana ny fanadihadiana.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer