PolitikaSongadim-baovao
ANTENIMIERANDOHOLONA: Nolavin’ny Filankevi-panjakana ny fitorian-dRakotovao Rivo sy ny tariny
Saika nandamoaka avokoa ny paikady rehetra noforonin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona hamelezana ny Fitondrana ankehitriny. Farany teo, ny mahakasika ny fikitihana ny tetibolan’ny Antenimierandoholona indray no nitoriany ny Fanjakana. Nivoaka anefa ny didin’ny Filankevi-panjakana omaly, izay nilaza fa tsy misy antony intsony ity fitoriana ity. Vita hatreo, araka izany, ny hoavy politika ity mpanao politika ity. Ny fivorian’ny Parlementera koa ho tapitra amin’ny zoma izao. Etsy ankilany, efa Loholona vaovao no handray ny asa amin’ny Janoary 2021.
Nandamoaka indray ny fitoriana napetraky ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo, tetsy amin’ny Filankevi-panjakana Anosy. Araka ny didy nivoaka dia tsy misy antony tokony hanohizana ny fandinihana ity raharaha ity intsony, satria efa nivoaka ny “circulaire” fahefatra mahakasika ny tetibolan’ny Antenimierandoholona, izay namaha ny olan’ny tetibola.
Tsy nahomby indray, noho izany, ny fikasan’ity Filohana andrimpanjakana ity, hanasoketa ny Fitondram-panjakana, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola, ho nanao antsojay sy tsy nanara-dalàna tamin’ilay resaka tsy famoahana ny tetibolan’ny Sénat. Raha tsiahivina, nametraka fitoriana ny Antenimierandoholona, tamin’ny 06 oktobra 2020, mikasika ireo naoty mametra ny “taux de regulation” tamin’ny telo volana fahatelo. Nanampy izany koa ny filazana fa tsy nahazo tetibola manokana sy solika hiatrehana ny fivoriana ara-potoana faharoa ireo senatera. “Acte réglementaire” anefa no nataon’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola, araka ny fanazavana. Tetsy ankilany, nitana ny heviny ny teo anivon’ny Antenimierandoholona fa efa voafaritry ny volavolan-dalàna nasiam-panitsiana 2020 ireo tetibola tokony ho an’ny senatera ireo, ka tsy tokony ho avadika amin’ny zavatra hafa. Tonga hatramin’ny tsy fandehanana mivory mihitsy izany ho an’ireo senatera sasany noho ny filazana fa tsy manana vola atao solika izy ireo. Ny zavatra tsara ho marihina anefa dia nandray ny karamany ara-dalàna daholo ihany ireo Loholona ireo. Ary efa tonga ihany koa ny vola fampandehan-draharaha eo anivon’ity andrimpanjakana ity. Midika izany fa haratsiam-panahy no nanaovana alasafay ny fanatrehana fivoriana tany am-boalohany.
Tapitra rahampitso ny fivoriana…
Araka ny tetiandro, tapitra rahampitso zoma 18 Desambra ny fivorian’ny parlemantera. Tafiditra ao anatin’izany ny Antenimierandoholona. Ankoatra io fitoriana nolavina io, noho izany, dia hifarana rahampitso koa ny fivoriana ara-potoana farany ahitana an’ity mafana fon’ny HVM ity. Noho izany, azo sokajiana ho fakana aina politika tanteraka ny azy sy ny ekipany afaka andro vitsivitsy. Ny fifidianana Loholon’I Madagasikara vaovao rahateo koa efa vita. Efa hitahita soritra ny mety ho endrik’izany Antenimierandoholona vaovao izany. Ny azo antoka dia tsy hisy tamingana HVM intsony, fa mba ho andrimpanjakana afaka hifanome-tanana amin’ny Fanjakana foibe amin’ireo vinam-pampandrosoana rehetra tiana hapetraka eto amin’ny tany sy ny firenena.




