PolitikaSongadim-baovao
ANTO-BOLA 200 TAPITRISA AR – FIFIDIANANA: “Tsy natao hanilihana kandida”, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy
Tsy hihemotra intsony! Efa voafaritry ny didim-panjakana navoakan’ny filankevitry ny Governemanta tamin’ity herinandro ity ny hanatanterahana ny fifidianana Filohampirenena amin’ny 09 novambra 2023 ny fihodinana voalohany, ary ny 20 desambra 2023 kosa ny fihodinana faharoa. Didim-panjakana maromaro hafa momba ny fifidianana ihany koa no noraisina nandritra izany ka isan’ny nahabe resaka ny maro ny mahakasika ny saram-pandraisana anjaran’ireo kandida amin’ny fifidianana, izay nakarina ho 200 Tapitrisa Ariary…
Fanehoan-kevitra maro no voaray manodidina ny saram-pandraisana anjaran’ireo mieritreritra ny hilatsaka ho kandida amin’ny fifidianana Filohampirenena ho avy io, taorian’ny didim-panjakana noraisin’ny Filankevitry ny Governemanta ny talata lasa teo. Fantatra tamin’izany mantsy fa noferana ho 200 tapitrisa ariary izay antoka fandraisana anjaran’ny kandida amin’ny fifidianana izay na antsoina ihany koa hoe “cautionnement”. Nitombo avo efatra heny io mitaha ny tamin’ny fifidianana Filohampirenena roa farany notanterahina teto Madagasikara izay nitentina 50 tapitrisa ariary isan’olona. Vokany, hevitra avy amin’ireo tsy mitovy tadin-dokanga amin’ny Fitondrana mijoro amin’izao fotoana ny hoe ambony loatra io saram-pandraisana anjara io. Ankilany, nitondra ny fanazavana mahakasika ny anton’io safidy io ny mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy, tao anatin’ny fandaharana “Tsy ho tompontrano mihono” omaly.
Nivoitra tao anatin’ny fanazavan’ny Minisitra fa tsy mifanaraka intsony amin’ny fisondrotry ny vidim-piainana ankehitriny ny saram-pandraisana anjaran’ireo mieritreritra ny hilatsaka ho fidiana Filohampirenena raha mijanona amin’io 50 tapitrisa ariary io isika. Marihina fa ampaham-bola andraisan’ireo kandida anjara amin’ny fandanian’ny Ceni (Vaomeram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana) ao anatin’ny fikarakarana ny fifidianana io “cautionnement” io. Isan’ny tena hifantohany ny mahakasika ny famolavolana ny bileta tokana ampiasaina amin’ny fifidianana, ny fanotana izany any ivelany, sy ny fitaterana azy eto an-toerana. Averina amin’ilay kandida iray manontolo kosa anefa io vola antoka fandraisana anjara io vantany vao mahazo 10% na mihoatra amin’ny vato manan-kerin’ny vokam-pifidianana mandritra ny fihodinana voalohany ilay kandida.
Ny taona 2013 moa no nisy ny fanovana farany mahakasika io saram-pandraisan’anjaran’ny kandida amin’ny fifidianana Filohampirenena io. Efa folo taona lasa izay kanefa tao anatin’izay fotoana izay dia lanja miakatra hatrany ny fiainana sy ny vidim-piainana. Niakatra mifanaraka amin’izany ihany koa ny saram-panotana ireo bileta tokana. Rariny, noho izany, raha niroso tamin’io fanapahan-kevitra io ny Governemanta.
Manampy izany fanazavana izany ihany koa anefa, mahatonga tsy fahamatorana sy tsy fanajana ny fifidianana izay hatao ny famaritana saram-pandraisan’anjara ambany loatra. Hita taratra izany nandritra ny fifidianana Filohampirenena farany tamin’ny taona 2018 izay nahitana kandida maro, maherin’ny 40 tamin’ny fihodinana voalohany. Noho izany, isan’ny misoroka izay tranga izay ihany koa io fanapahan-kevitra noraisina amin’ny fampiakarana io “cautionnement” io.
“Kandida Filohampirenena no resaka. Izany hoe olona hitantana firenena iray manontolo. Mba mila fahamatorana izany satria ny zavatra tsikaritra dia ambany loatra ilay 50 tapitrisa ariary tany aloha ka lasa misy kandida marobe tsy manana foton-kevitra tonga eo. Tsy mety intsony izany… Izay tena matotra hanao fampielezan-kevitra ihany, vonona sy manana vina, no hanatratra ny 200 tapitrisa ariary ka hilatsaka ho fidiana”, hoy ny tenin’ny Minisitra.
Mandiso ny feo ezahina aely
Mbola fanehoan-kevitra avy amin’ireo olona sasany ihany koa ny hoe fanilihana ireo kandida tsy manan-katao sy tsy mahatakatra ilay 200 tapitrisa ariary no antony nandraisana io fepetra io. Nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta omaly fa “tsy marina velively izany hoe raha ohatra ka hakarina ny fandraisana anjaran’ny kandida dia hoe manilika ilay kandida tsy manan-katao izany. Tsy marina izany satria tsy io fandaniana 200 tapitrisa ariary io ihany no fandaniana tsy maintsy ataon’ny kandina amin’ny fifidianana raha matotra izy. Fa mbola mihoatra lavitra noho io ary tsy io ihany no vola be ho laniany…”.
Noho izany, tsy tokony hampitsamboatra ireo olona mieritreritra ny hilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana manaraka eo io fepetra noraisina io. Nohazavain’ny Minisitra hatrany fa ambany kokoa aza io saram-pandraisan’anjara io mitaha amin’ireo fandaniana maro hafa izay tsy maintsy ampiasain’ireo kandida vola. Ohatra noraisiny tamin’izany moa ny vola havoaka ho tambin-karaman’ireo delegen’ny kandida roa isaky ny biraom-pifidianana rehetra manerana ny Nosy. Rehefa natao ny kajikajy, manodidina ny 500 tapitrisa ariary izany farafahakeliny, izay mbola fandaniam-bola ambony lavitra mihoatra amin’ny saram-pandraisan’anjara. Fehiny, efa mihomana amin’izay tetibola ambony izay avokoa ireo olona rehetra mihevitra ny ho kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ary fahavononana sy fahamatorana asehony ny fiombon-keviny amin’io fampiakarana ny saran’ny fandraisan’anjaran’izy ireo io.
Fifidianana manaraka ny tetiandro
Ady hevitra diso kasaina hapetraka ihany koa ny fototry ny fanambarana nataon’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay milaza fa fifidianana atao tampoka mialoha ny fotoana na antsoina ihany koa hoe “élection anticipée” io atao amin’ny 09 volana novambra ho avy izao io. Mbola tsy nitsahatra ny nitondra fanazavana mahakasika ireo teboka rehetra mahabe resaka ny maro manodidina ny fifidianana ireo moa ny mpitondra tenin’ny Governemanta Lalatiana Rakotondrazafy, ka isan’ireo noresahiny omaly ihany koa ny fanazavana mahakasika ity farany. Nambarany tamin’izany fa voafaritra ao amin’ny andininy faha-52 amin’ny Lalampanorenana ny atao hoe “élection anticipée”. Lazaina fa fifidianana mialoha ny fotoana no atao raha toa ka mametra-pialana tampoka ilay Filohampirenena noho ny antony maro samihafa, raha miala tsy hitondra ny firenena intsony izy, na ihany koa voahongana na niharan’ny fanesorana azy tamin’ny toerany. Ireo tranga ireo ihany, araka izany, no ahafahana manao fifidianana mialoha ny fotoana ka rehefa tsy voafaritra ao anatin’ireo tranga sy hodidina ireo dia tafiditra ao anatain’ny tetiandro ara-dalàn’ny zotram-pifidianana hatrany ny fanatanterahina izany. Tsy azo hadika ho fametram-pialana tampoka araka ireo voalazan’ny Lalàna ireo ny fametram-pialan’ny Filoha raha toa ka manolotena ho isan’ireo ho fidianana amin’ny fifidianana Filohampirenena ho avy ny tenany. “Ny andininy faha 46 amin’ny Lalampanorenanan dia manambara fa raha hirotsaka ho fidiana izy dia mametra-pialana roa volana mialoha ny fifidianana. Izany akory tsy midika oe tafiditra ao anatin’ilay sehatra na antony mahatonga ny fifidinana mialoha ny fotoana mihitsy izany. Manapitra ny fe-potoana araka ny voalazan’ny Lalàna fotsiny ihany izy”, hoy ny Minisitra.
Mbola mitovy tranga amin’izany hatrany, tsy azo ilazana fa “élection anticipée” ny fankatoavana ny datim-pifidianana ho amin’ny 09 novambra ny fihodinana voalohany, ary ny 20 desambra ny fihodinana faharoa. Raha ny fanazavana mantsy, antony nahatonga ny Ceni hanolo-kevitra ireo daty ireo ny hialana amin’ny fahasarotana ateraky ny vanimpotoan’ny orana ka mety hisy fiantraikany amin’ny fikirakirana ny fifidianana any amin’ireo toerana saro-dalana izany.
Firosoana amin’ny fanomanana
Manamafy ny andraikitra sahanin’ny Ceni amin’ny maha vaomeram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana azy ireo didim-panjakana navoakan’ny Filankevitry ny Governemanta ireo. Toy ny fahazoan-dalana ho azy ireo ny fisian’izany ka hiroso amin’ny tena vontoatin’ny fanomanana ny fifidianana ny vaomera manombok’eto. Ahafahany manitsy na mitondra fanatsarana ny fadaharany ny asany ihany koa izany. Araka ny fanazavan’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Soava Andriamarotafika, ny fanomanana ara-teknika sy ara-pitaovana no tsy maintsy tanterahina manaraka. Mahakasika io fampitaovana io indrindra, nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa asa atao ato ho ato ny fanadihadiana sy fitsirihana ny vidin’ireo fitaovana ilaina sy ampiasaina mandritra ny fifidianana. Isan’izany ny vidin’ireo vata mangarahara sy ny famaritana ny saran’ny fanotana ireo bileta tokany.
Eo amin’ny fanomanana ara-teknika kosa indray, fantatra fa tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fampiofanana ireo rehetra mpisehatra ao anatin’ny tontolon’ny fifidianana. Izany hoe ireo mpiakambana ao amin’ny Ceni sy ireo rantsa-mangaikany rehetra manerana ny Nosy, ireo tompon’andraikitra amina antoko sy vondrona antoko politika, ny mpanao gazety, sy ny maro hafa.
Ireo rehetra ireo moa dia tafiditra ao anatin’ny fampandehanana sy fanatsarana ny zotram-pifidianana hatrany.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.


