PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
ANTOKO FREEDOM: Manohana ny tanora hisandratra eto amin’ny firenena
Mandray anjara hatrany amin’ny fampiofanana tanora mpitarika (YLTP) karakarain’ny eo anivon’ny FES ny tanora mpikatroka avy amin’ny Antoko Freedom. Tamin’ity taona ity, Rafitakarina El Assad Issa indray no nandray anjara tamin’izany, izay nivoaka ara-pomba ofisialy ny zoma 20 Novambra teo. Andiany faha-16 ireto navoaka farany ireto, izay nahitana tanora niisa 20. Nanatrika ny fotoana ireo olo-manan-kaja ambony maro eto amin’ny tany sy ny firenena, toa an’I Christine Razanamahasoa. Teo koa ireo Solombavambahoaka, ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika, ary niaraka tamin’ireo andiany teo aloha efa nivoaka tamin’izany fampiofanana eo anivon’ny FES izany.
Ho an’ny Antoko Freedom manokana, zava-dehibe ny fanohanana ny tanora amin’ny karazana fampiofanana tahaka itony. Tanjona ny hisandratan’izy ireo ambony eto amin’ny tany sy ny firenena. Ary koa, hahazoan’izy ireo ny fahalalana sy ny tsara ho fantatra rehetra manodidina ny fitarihana, izay tsapa ho mbola mila fampahalalana betsaka raha ho antsika eto Madagasikara.




